Alahamadibe 2023: NISY NY HETSIKA FANAMAFISANA NY FIHAVANANA TETSY ANOSIMASINA ITAOSY

Notanterahina tetsy amin’ny kianja malalaka tetsy Anosimasina Itaosy ny fankalazana ny Alahamadibe,izay fankalazana ny fidiovana sy fanamafisan-kasina ny razam-ben’ny malagasy ary koa fangataham-pitahiana amin’ireo razana rehetra .

Ny Alahamadibe,raha tsiahivina, fidiovana, fangatahana tso-drano amin’ireo razana tany aloha tany.

Ny maha zava-dehibe ny Alahamadibe dia ny fidiovana,ao anatin’izany ny fandatsahan-drà ny omby nisafidiana,ny famelona-maso ny fomba malagasy nataon’ireo razana fahiny,izay tena misongadina mandritra ny fankalazana rehetra.

Raha ny nambaran’ny Maitre Feno Ofisialy mpandala ny fomba malagasy,dia ny Alahamadibe no taom-baovao ho an’ny malagasy,ka tokony samy hankalaza izany avokoa ny malagasy rehetra.

Nanotrona izany fankalazana izany moa ny mpanjaka Antemoro Rabelaolao,sy ireo mpandala ny fomba malagasy maro teny Anosimasina Itaosy teny,ny 21 Aprily 2023 teo.

Nozaraina tamin’ireo olona manodidina moa ny nofo-kena mitam-pihavanana tao aorian’ny fombafomba maro natao.

Nangonin’ i GÔVA

443 réflexions sur “Alahamadibe 2023: NISY NY HETSIKA FANAMAFISANA NY FIHAVANANA TETSY ANOSIMASINA ITAOSY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *