Alahamadibe 2023: NISY NY HETSIKA FANAMAFISANA NY FIHAVANANA TETSY ANOSIMASINA ITAOSY

📌Notanterahina tetsy amin’ny kianja malalaka tetsy Anosimasina Itaosy ny fankalazana ny Alahamadibe,izay fankalazana ny fidiovana sy fanamafisan-kasina ny razam-ben’ny malagasy ary koa fangataham-pitahiana amin’ireo razana rehetra .

Ny Alahamadibe,raha tsiahivina, fidiovana, fangatahana tso-drano amin’ireo razana tany aloha tany.

Ny maha zava-dehibe ny Alahamadibe dia ny fidiovana,ao anatin’izany ny fandatsahan-drà ny omby nisafidiana,ny famelona-maso ny fomba malagasy nataon’ireo razana fahiny,izay tena misongadina mandritra ny fankalazana rehetra.

Raha ny nambaran’ny Maitre Feno Ofisialy mpandala ny fomba malagasy,dia ny Alahamadibe no taom-baovao ho an’ny malagasy,ka tokony samy hankalaza izany avokoa ny malagasy rehetra.

📌Nanotrona izany fankalazana izany moa ny mpanjaka Antemoro Rabelaolao,sy ireo mpandala ny fomba malagasy maro teny Anosimasina Itaosy teny,ny 21 Aprily 2023 teo.

Nozaraina tamin’ireo olona manodidina moa ny nofo-kena mitam-pihavanana tao aorian’ny fombafomba maro natao.

Nanangona :Alex R/Olivia R.

67 réflexions sur “Alahamadibe 2023: NISY NY HETSIKA FANAMAFISANA NY FIHAVANANA TETSY ANOSIMASINA ITAOSY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *