SIMBA TANTERAKA NY TAREHIN’ILAY RAMATOA NOTONDRAHAN’NY VADINY ASIDRA

Manan-janaka roa no sady mpivady ara-dalana raha ireto mpivady ireto. Tojo tsy fahasalamana, mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ilay renim-pianakaviana, vokatra ny hetraketraka sy sotasota tsotra izao nataom-badiny.

Simba tanteraka ny tarehy sy ny tanan’ilay ramatoa, satria dia norarafan-drangahy asidra. Ny anton’izany frandratrana niniana natao izany moa dia noho ity renim-pianakaviana ity nangataka fisarahana sy nampiakatra ny raharaha noho ny fampirafesana sy fanitsakitsahana nataom-badiny. Araka ny vaovao voaray dia teo imason-janany no nanaovan’io raim-pianakaviana io izany herisetra izany, ary naratra ihany koa ny tanany fa tsy naninona.


Araka ny fantatra dia tany Tsiroanomandidy no nisehoan’ity tranga ity ny 10 martsa 2024, saingy any Toamasina kosa no mitsabo tena ilay renim-pianakaviana amin’izao fotoana izao.

Efa mivoaka kosa ny filazana fikarohana momba ity rangahy ity.

Efa miha tsara ny fahasalamany amin’izao fotoana izao na dia mbola eny amin’ny hopitaly ary ny tenany.
Teo anatrehan’ny voina nahazo azy dia tapan-kevitra, nitory ny rain-janany teny amin’ny zandary ilay ramatoa. Amin’izao fotoana izao dia karohina fatratra ity raim-pianakaviana ity, ary fantatra fa mety mihalokaloka any Antsirabe any ny lehilahy, toerana misy ny fianakaviany.

Tantely ANDRIANOMENJANAHARY

156 réflexions sur “SIMBA TANTERAKA NY TAREHIN’ILAY RAMATOA NOTONDRAHAN’NY VADINY ASIDRA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *