Fampiasana ny tenin-dreny : MBOLA MANDALO ADY SAROTRA NY TENY MALAGASY- SATRIA NY TOMPONY AZA TSY TIA….

Misedra olana ny teny malagasy na dia manao izay ho afany aza ny mpiantsehatra maro ( Fikambanan’ny Mpikabary, Akademisianina, Mpanao Gazety,…) manome aina izany. Ireo zanaky ny mahitahita ohatra, dia maro mihitsy no tsy mahy teny malagasy akory. Na mahay aza manao fanahy iniana miteny vary amin’anana. Misy aza menatra mihitsy miteny malagasy ka tsy maintsy asiana teny vahiny kely foana mba hahalalana hoe olona nianatra. (Toetsaina mihitsy no mila miova). Ny mpianatra kilasy famaranana sasany aza, mbola manao diso tsipelina.

Miainga amin’ny isam-batan’olona ny fanomezana aina ny teny malagasy, ary miainga ao an-tokantrano. Hany ka na Diaspora, Malagasy mipetraka any an-dafindriaka aza mahakolokolo ny tenin-drazany

Marihina androany 01 jona 2024 ny andron’ny teny reny ho fanomezana lanja ny teny malagasy. Omaly kosa dia nisy ny lanonana natao hanomezan-danja ny tenin-dreny. Nandritra io hetsika io nanambaran’ny Ministry ny Kolontsaina mpisolo toerana Rafaravavitafika Rasata fa ” Hatao laharam-pahamehana ny fampidirana ny teny malagasy ho teny fampiasa ao amin’ny vondron’ny ranomasimbe indiana” .

Misy koa ny fandaharana ‘Minitran’ny teny malagasy” handeha tsy tapaka isanandro amin’ny fotoanan’ny fampahalalam-baovao ao amin’ny RNM sy TVM izany, ho anjara biriky anomezana aina ny tenin-dreny.

Tsara ny manamarika fa eo amin’ny laharana faha-50 amin’ireo fiteny be mpampiasa indrindra amin’ireo teny maherin’ny 2 000 maneran-tany ny teny malagasy ary laharana faha-13 izy aty Afrika.

Tojo RAMILIANTARINTSOA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *