Ambositra : FANAMBY GOAVANA NY HANOMEZANA JIRO ISAN-TOKANTRANO

Nihena be ny asan-dahalo tamin’ny faritra Amoron’I Mania noho ny fametrahana ny brigady manokana miady ny asan-dahalo ao Ambalamanakana. Tamin’ny fotoana nitondran’ny kandida Andry Rajoelina avokoa ny nametrahana izany. Tena nisy fiantraikany tsara ho an’ny mponina tao Ambositra ihany koa izany satria afaka namokatra soa aman-tsara ny mponina.

Isan’ny zava-tsoa azon’ny mponina teto Ambositra ihany koa ny fotodrafitrasa maro toy ny kianja manara-penitra izay nanaovana ny Meeting androany . Teo ihany koa ny birao ho an’ny fitaleovam-paritry ny Fonction Publique sy ny Securite Publique. Tsy voatery miakatra any Antananarivo intsony ny beantitra rehefa hikarakara fisotroan-dronona fa eto Ambositra dia vita.

Fa isan’ny fanamby goavana napetraky ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina ny fanomezana jiro ho an’ny isan-tokantrano rehefa lany soa aman-tsara izy. “Andro vitsy aorian’ny fahenoaka ny fahalaniako dia tonga aty ny kaontenera mitondra jiro ho an’ny isan-tokantrano. Ankoatra izay dia apetraka eto Ambotsitra ihany koa ny Parc Solaire goavana hamatsy herinaratra – ary herinaratra tsy ho tapatapaka intsony “ , hoy ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina raha nandray fitenenana.

Androany alarobia 1 novambra no natao ny fampielezan-kevitra teto Ambositra ary nandritra izany no nahazoany tsodrano avy amin’ireo ray aman-dreny ara-drazana  : “Lany premier tour enao , ary tsy maintsy enao no lany. Maro izay ezaka nataonao izay ka mbola antenainay ny hanohizanao izany. Mitsodrano anao izahay ho tody soa amin’ny tanjona iriana”, Randriamiandrisoa Jean De Dieu – solontenan’ny ray aman-dreny ara-drazana. Vonona hanome 72 isan-jato I Ambositra amin’ny 16 novambara 2023.

FINTIN’NY KABARIN’NY KANDIDA ANDRY RAJOELINA TEO AMBOSITRA

Niompana tamin’ny famatsiana herinaratra na ny fahazavana ho an’ny isan-tokantrano ny lahatenin’ny kandida laharana fahatelo, ny folakandro teo tao amin’ny kianjan’Ankorombe, Ambositra. Navoitrany fa ho vaindohan-draharahany ho an’ny mponina ny fanafoanana ny  delestazy ka hametrahana ilay « parc solaire », hamokatra angovo hatrany amin’ny 3 megawatt. Tanjona ny tsy ahatapatapaka ny famatsiana herinaratra satria raha 2 megawatt no misy ankehitriny, olana iray nosedraina ny famatsiana ny solika mampihodina ny milina, izay mihena an-dalana. Mba ahafahana manatanteraka izany anefa, izay ho mariky ny fitohizan’ny fampandrosoana efa natombony dia nanao fanamby tamin’ny mponina izy.  Raha mahazo mihoatra ny 60% ny tenany amin’ny voka-pifidianana, andro vitsy monja aorian’izay dia ho avy miaraka amin’ny kaontenera, misy jiro izay azo hamahanana ny vato aratry ny finday, sy mahazaka takamoa miisa roa isan-tokantrano izy.

Ankoatra ny famatsiana herinaratra, natintrateriny, toy ny tamin’ny toeran-kafa  fa hiompana be dia be amin’ny lafiny sosilay ny fotoam-pitantanana manaraka: hijerena ny marefo, ny tanora  ary ny renim-pianakaviana. Raha nomen’ny banky iraisam-pirenena 30 tapitrisa Dolara isika ny taona 2018 dia hahazo 250 tapitrisa dolara isika ny taona 2024 ka izay tsy nahazo fanampiana teo aloha dia tsy maintsy hanaterany. Tsy maintsy manakaiky kokoa ny vahoaka ny kandida laharana fahatelo rehefa lany indray. Tsy mitady toerana na voninahitra izy fa mitady hirika kosa ahafahana mampandroso an’i Madagasikara  sy manampy ny vahoaka malagasy.

Maro ny foto-drafitrasa  vita saingy tsy maintsy tohizana ihany koa anefa izay efa natomboka, satria tsy ampy ny iray na efa-taona namitana ny velirano. Naranty nandritra ny fampielezan-kevitra ny asa vita toy ny sekoly mara-penitra, mahazaka mpianatra 600, ny biraon’ny fitalevam-paritry ny asa sy ny asam-panjakana izay manampy be dia be ny mpiasa sy ny mpisotro ronono. Torak’izany ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny filaminama-bahoaka  na ny polisim-pirenena izay tsy mbola nisy teto Ambositra. Torak’izany ny fonja manara-penitra izay noezahana ny hanaja misimisy kokoa ny zon’olombelona sy ny fanampiana ny fanarenana ny voafonja mba hahita asa avy hatrany rehefa miverina eny amin’ny fiaraha-monina : Misy ny fampiofanana.

Mikasika ny velirano voalohany izay mahakasika ny lafiny fandriampahalemana dia nasiany tsindri-peo manokana ny ezaka vita tamin’ny fametrahana ny toby famaharana miaramila any Ambatofinandrahana miaraka amin’ny fampitaovana toy ny Angidimby izay azo hahetsika avy hatrany vao misy ilana azy. Manginy fotsiny ny fitandroana ny filaminana eny amin’ny lalam-pirenena, ka nametrahana ny brigady manokana misahana ny aro-lozan’ny fifamoivoizana ao Ambalamanaka. 

Momba ny fanapariaham-pahefana tena izy dia nohamafisiny fa tsy misy faritra adino eto Madagasikara ary tsy hanadino an’Ambositra izy , porofon’izany hoy izy ny fahavitan’ny fotodrafitra voatanisa teo ambony, indrindra ilay kianja manarapenitra.

Marihina fa nanombohana ny fotoana, ny Tsodrano avy amin’ny mpitazona ny anaran-dray Randriamiandrisoa Jean De Dieu. Nisy ny fampisalorana lamba sy satroka ho mariky ny fahefana nataon’ny Randrianarivelo Daniel. Ireto farany izay nanamafy fa ho “ 1er Tour “ dia vita.

Nangonin’i Tojo RAMILIANTA

15 réflexions sur “Ambositra : FANAMBY GOAVANA NY HANOMEZANA JIRO ISAN-TOKANTRANO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *