Kianja Maki : NANOMBOKA OMALY ILAY HETSIKA “CROISADE JESOSY MANASITRANA “

▶️Nanomboka omaly 5 Jona,ny “croisade” lehibe karakarain’ny vondrom-pivavahana maro,eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Nanomboka omaly alatsinainy ka tsy mifarana io fivoriam-bavaka io raha tsy ny zoma faha 9 Jona 2023.

▶️Maro ireo antokom-pivavahana hita ao mandritra io fotoana voafaritra, izay tsy nanavahana fivavahana fa nasaina avokoa ny rehetra;fa ny mampiavaka azy dia ny fahatonganan’ilay evanjelistra Docteur Dag Heward-Mills,mpanompon’Andriamanitra avy any ivelany tonga eto Madagasikara, Antananarivo,hitory ny filazantsara ho an’ny vahoakan’Antanarivo.

▶️Manasa ny vahoakan’Antananarivo rehetra araka izany ny mpikarakara ny hetsika ny pasitera Haintso RAZAFIMANDRANTO ,ho avy mandritra ireo fotoana ireo.Hisy koa hoy izy ny fahagagana hatao ao amin’ny kianja Maki Andohatapenaka.

✍️Alex R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *