Zafindrasoa Elisoa Mureelle : VOAFIDY MISS MAMAN MADAGASCAR 2023

ZAFINDRASOA Elisoa Mureelle no voafidy “Miss Maman Madagascar 2023”. Renim-pianakaviana , manan-janaka 3. Dokotera no asany . Misolotena ny faritra Atsimo Atsignana izy nandritra ny fifaninanana.

Ny sabotsy 3 jona 2023 teo no natao teny amin’ny Résidence Andrinirina Ivato ny dingana famaranana. Miisa 29 ireo tafakatra tamin’izany dingana famaranana izany izay nahitana ny sokajy rehetra.

Naneho ny fankasitrahany sy ny hafaliany moa Zafindrasoa Elisoa Mureelle na Loulou Iriàna noho izao fahalaniany izao : “ Misaotra ny Mpahary, Miarahaba antsika Reny rehetra tsy hitako izay ilazana ny hafaliana ato anatiko Mankasitraka ireo mpikarakara,ianareo mpiara-nilalao, ianareo tapaka sy namana,havana fa tena tohina ny fo,faly e, mankasitraka Vonona ny hanondrotra ny lanjan’ny Reny Malagasy aho Vonona hifanohana aminao aho zokivavy Miss Maman Madagascar 2022 ary indrindra ianao Reny mpanorina vonona hianatra hatrany Mankasitraky antsika Atsimo Atsignana agnaby rô” .

Tsiahivina fa niorina fa ny taona 2021 ny  Miss Maman Madagascar – ka  Maman Hanta Carson no nanangana izany. Isan’ny soatoavin’ny MISS MAMAN MADAGASCAR ny hanosika ny reny ho sahy hijoro, hahay hiatrika fiainana amin’ny maha reny azy ary hifampizara traikefa sy hifanampy – hahatonga azy ho reharehan’ny ankohonany.

Tsy mifidy sarangan’olona ny fifaninanana satria dia misy olontsotra , ny mitondra takaitra ara-batana na manana fahasembanana hoy isika , ny fohy , ny mahia , ny manambady , ny tokantena , ny maty vady.

Khan R.

1 037 réflexions sur “Zafindrasoa Elisoa Mureelle : VOAFIDY MISS MAMAN MADAGASCAR 2023