Tribonaly Anosy – Fitsarana Ambaratonga voalohany: NAPETRAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TONIA MPAMPANOA LALANA

Tribonaly Anosy – Fitsarana Ambaratonga voalohany: NAPETRAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TONIA MPAMPANOA LALANA

▶️Tontosa ny 22 Mai 2023 , tetsy amin’ny fitsarana tampony Anosy ny lanonana fametrahana ny Tonia Mpampanoa Lalàna na Procureur de la République – vaovao eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo – Ramatoa Narindra Navalona RAKOTONIAINA. Izy moa no Tonia mpampanoa lalana faha -17 eo anivon’io andrimpanjakana io.

▶️Isan’ny asa hapetraka hoy izy ny famerenana indray ny fiandrasan-draharaha rehefa sabotsy alina mba hialana amin’ny fiandrasana lavareny.

▶️Nambarany ihany koa fa raisiny ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly sy ny famongorana ny asa ratsy mifandray amin’ny andraikitra sahaniny indrindra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina manimba ny fiaraha – monina.

▶️Izany rehetra izany dia mila fifanomezan-tanana , hoy izy, mba hisian’ny fiaraha-miasa avy amin’ny rehetra araky ny teny filamatra hoe “Ny fitsarana dia toerana fikarohana fahamarinana sy fialofan’ireo malemy “.

✏Elisa Razafy

10 réflexions sur “Tribonaly Anosy – Fitsarana Ambaratonga voalohany: NAPETRAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TONIA MPAMPANOA LALANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *