Antoko AVI : TSY MBOLA MANANA KANDIDA HOTOHANANA

Mpikambana AVI : MALALAKA AMIN’NY KANDIDA TOHANANY

Tsy ilay anarana hoe Asa Vita Ifampitsarana intsony fa lasa Ainga Vaovao Ifotony ny antoko AVI izay naorin’ny Filoha nasionaly andriamatoa Norbert Lala RATSIRAHONANA.

Efa nametra-pialana tsy ho mpitarika izay moa ity farany ka ireto avy ny mpitarika vonjimaika ny antoko AVI dia : andriamatoa Sylvain RABETSAROANA , andriamatoa Jean Jacques RABENIRIANA , ramatoa Dahimanjara Johanita.

Nisy ny fanazavana fohy nomen’andriamatoa Norbert Lala RATSIRAHONANA mikasika ny raharaham-pirenena :
Hoy izy :

  • Malalaka amin’izay kandida tiany hotohanana ny mpikambana ao anatin’ny AVI.
  • Tsy mbola manana kandida tohànana ny AVI satria tsy mbola nisy nanao fanambarana momba izany ny mpilatsaka.
  • Natokana ho an’ny kandida mpanambola io fifidianana filoham-pirenena io.
  • Nanentana ireo olom-pirenena izy mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana fa hiatrika fifidianana isika io atsy ho atsy.

Nandritra ny Assise Régionale an’ny antoko AVI natao tao amin’ny FARITRA ATSIMO ANDREFANA moa no nanambarany izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *