Naina ANDRIANTSITOHAINA: NITSIDIKA NY TSENA TENY AMPASAMPITO

Ny tsena eo Tsimialonjafy Ampasampito indray no notsidihan’ny Ben’ny Tanana Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina.

Nisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny mpivarotra sy ingahy Ben’ny Tanana. Fotoana iray nanararaotan’ireo mpivarotra nanehoana ny hetahetany ity fitsidihana azy ireo ity.

Nagataka ireo mpivarotra ny mba hijerena ny taratasin’izy ireo mba hampanara-dalana ny asa fitadiavana izay hataon’izy ireo. Anjatony mahery ireo mpivarotra eo Tsimialonjafy Ampasampito izay ahitana mpivarotra hani-masaka , kojakoja samihafa izay mbola secteur informel ny ankamaroany.

Fehiny : tena nilain’ireo mpivarotra ity fifanakalozan-kevitra ity ary nankasitrahan’izy ireo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *