Faharatsian-dalana: NOENTINA MOTO NY RAZANA

Simba tanteraka iny lalana miainga eo Moramanga mihazo an’Anosibe Anala iny. Lalana 70 km kanefa dia hatao 3 na 4 andro.

Amin’izao fotoam-pahavaratra izao dia tsy misy taxibrousse afaka mandeha.
Ny moto no afaka manao fitaterana ny olona amin’ny sarany lafo dia lafo.

Mizaka ny tsy eran’ny aina ny mponina noho io haratsian-dalana io – satria lafo ny Ppn – motoka-monina tanteraka ny Mponina.

Trangam-piaraha-monina iray niseho mifandraika amin’izany dia noho io haratsian-dalana io, dia voatery entina moto ny vatana mangatsiakan’ny olona iray raha te ho aterina any Anosibe Anala.

Tranga iray vao niseho ny alarobia 8 febroary 2023 – olona iray maty tao Beforona ary andeha haterina any Anosibe Anala. Ny moto no hany afaka hitondrana azy satria tsy misy taksibrosy noho ny haratsian-dalana.

#nosybe_anala
#haratsian_dalana
#ledefi_madagascar

Araho eto amin’ny https://ledefi.mg/ ny vaovao samihafa 

2 769 réflexions sur “Faharatsian-dalana: NOENTINA MOTO NY RAZANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *