Toriteny teny Antsonjombe: TAO NY TAFINTOHINA – FA TAO KOA NY FALY ?

Maro ny fanehoan-kevitra taorian’ilay toriteny niteraka resabe teny Antsonjombe tamin’ny alahady 15 janoary 2023 nokarakarain’ny FJKM. Tao ny tafintohina ary tao ny faly sy nisintona lakolosy ka vao mainka nandrirotra izany ho lasa resabe ? Isika rahateo tia resaka sy tia raha ka zara aza misy an’izay hanalana hamohamo ve ?  Tafintohina tamin’iny ohatra ny Governoran’ny faritra Analamanga , ary toa izany koa ny ministry ny Ango. Izany hoe ny tomponandraikitra eo anivon’izao fitondrana ankehitriny izao.

Fa ny hita nampiseho hafaliana indray kosa dia ny olon-tsotra mpaneho hevitra. Na izany na tsy izany dia efa tafiditry ny politika tanteraka ny fivavahana ka any anaty toriteny no mandefa fantsy na mandefa hafatra ho an’ny mpanao politika ny pasitera. Samy mahalala ny tina hatongavana amin’izany anefa ny rehetra na tsy miloa-bava aza ka izay ilay manafintohana.  Mitarika savorovoron-tsaina lavitry ny tanjon’ny fampiraisana tokony hataon’ny fiangonana izany. Aleo ny mpitondra fivavahana hijanona ho mpitondra fivavahana ary aleo ny mpanao politika hijanona ho mpanao politika.

8 réflexions sur “Toriteny teny Antsonjombe: TAO NY TAFINTOHINA – FA TAO KOA NY FALY ?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *