APM – Antenimieram-pirenena : NANATITRA TARATASY FIAMPANGANA NY FILOHAM-PIRENENA

APM – Antenimieram-pirenena : NANATITRA TARATASY FIAMPANGANA NY FILOHAM-PIRENENA

Tonga teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny avy amin’ny Antoko Politika Madio notarihan’ny Filohany RAKOTOARISOA Faniry Alban androany maraina.

Nanatitra taratasy fiampangana ny Filoham-pirenena izy ireo.
Izany fangatahana izany dia naterina tao amin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

Ny anton’io fangatahan’izy ireo io – araky ny fanazany tamin’ny Mapanao Gazety , dia ny fahafataran’ny APM fa mizaka zom-pirenena hafa ankoatry ny Malagasy ny filoha.

Ankoatra izay, mangataka fanazavana avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana mikasika izay voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny lalam-panorenana ihany koa ny APM.

✍️Elisa Razafy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *