SSM:Tsy mbola nivaly ny fangatahana

Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Vondrona SSM , androany 16 janoary 2023,noho ny mbola tsy fisiana valiny tamin’ny fitakiana nataon’izy ireo tamin’ny 5 Desambra 2022 lasa teo.

Raha ny nambaran’ny mpitarika ny SSM dia efa niresaka tamin’ny lehiben’ny governemanta ny solontenan’ny mpiasa ,saingy tsy nisy valiny izany.13 ny teboka napetraky ny SSM,fa tsy mbola nisy famahana olana nataon’ny fanjakana hatramin’izao;ao anatin’izany teboka 13 izany ny fitazomana ny marikarama ho 250.000 ariary.

📌 Miandry ny fanapahan-kevitra avy any amin’ny fanjakana moa ny sendika ,hamahana sy hamaliana ireo teboka 13 ireo ,izay nomarihin’izy ireo hatrany fa tsy maintsy tanterahana avokoa izy ireo,satria miankina amin’ny fiainan’ny mpiasa tsirairay. Tao aorian’izany moa,dia nanatanteraka fifampiarabana tratrin’ny taona ny mpikambana rehetra,ho famatoram-pihavanana.

Alex R./Olivia R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *