Zone Forello Hazovato: HAMPIANTRANO FAMPIRANTIANA MARO

▶️Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety sy ny mpandray anjara ao anatin’ny hetsika fampiratiana izay ho karakaraina ao amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato ny volana septambra, Oktobra ary Novambra 2023 ho avy izao.

▶️ Hetsika fampiratiana toy ny” Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche , “salon International de l’Habitat” ary ny ” Salon International du Transport, de la Logistique, de la Maintenance izay natokana ho an’ireo efa matianina ary hafahan’ireo mpisehatra rehetra na ireo mpandray anjara mampahafantatra ny vokatra izay hananan’izy ireo ary koa ny tolotra izay omeny.

▶️Ny tanjona amin’izao fampiratiana izao hoy ny mpikarakara dia hametraka tanteraka ny maha iraisampirenena ny fampiratiana izay ho atao ary hanasana ireo firenena ho avy an’io fotoana io . Ao ihany koa ny mba hivelaran’ireo mpandraharaha malagasy ho any ivelany mba hazahoan’izy ireo fifandraisana ara-barotra .

▶️Ho an’ny “Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche” manokana dia hisy ny fanomezana sehatra ho an’ireo matihanina mba hanome fampihofanana an’ireo olona liana amin’ny resaka fiopiana sy ny jono .

▶️Zava-dehibe ny sehatra tahaka izao hoy i Harilala RAMANANTSOA mba hafahana manome sy mampita ny fihofanana amin’ny fomba rehetra.

✍️Olivia R.

2 843 réflexions sur “Zone Forello Hazovato: HAMPIANTRANO FAMPIRANTIANA MARO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *