zoma fifanampiana

🟢ZOMA FIFANAMPIANA : NOSITRAHANA MANOKANA IREO TOMPONANDRAIKITRA ENY AMIN’NY FOKONTANY

✅Ho fiahiana sosialin’ny mponina izay anisany laharam-pahamehana ny Filoha Andry RAJOELINA, dia mitohy hatrany ny tetikasa Zoma Fifanampiana karakarain’ny Ministeran’ny mponina.
Ireo tomponandraikitra isa-tsokajiny eny anivon’ny fokontany izay anisany manampy betsaka ny mponina no nanatanterahina ny tosika fanampiana avy amin’ny Ministera , ny Asabotsy 01 jolay 2023, teny amin’ny EPP Manarintsoa sy Anosipatrana Andrefana.

✅Niavaka manokana ny amin’ity indray mandeha ity hoy ny Ministry ny mponina SOAFILIRA Princia , satria ho famporisihana sy fanohanana ny adidy izay iandraketan’ireto tomponandraikitra avy fokontany ireto, dia tsy nataon’ny Ministeran’ny mponina ho adino izy ireo , fa dia notolorana nofonkena mitam-pihavanana, vary, voamaina, siramamy sy menaka ary savony ary bodofotsy.

✅Anisany iay tena manampy ny Ministeran’ny mponina ihany koa nadritra ny hetsika Zoma Fifanampiana ka hatramin’izao ny ONG DirectAid.

Andry Rakotonirainy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *