ZAIMAIKA- Analakely : VITA SOA AMAN-TSARA NY ATRIKASA TOMBANA HO AN’IREO MPIVAROTRA HANI-MASAKA NA “Atelier d’évaluation gargotier”

▶️Tontosa anio maraina tamin’ny 10ora teo ny atelier d’évaluation ho an’ireo gargotiers sy ny restaurateur izay nisitraka ny fampiofanana avy amin’ny FHORM sy ny sampana mpamonjy voina, notanterahina tao amin’ny ZAIMAIKA Analakely.

▶️Ny fampiofanana dia vao natomboka tamin’ity taona 2023 ity, natao izao mba hanantsarana hatrany ny sakafo eto Antananarivo, izany fiaraha-miasa izany dia iarahana amin’ireo région îles France izay karakarain’i l’UNESCO.

▶️Nilaza ihany koa izy ireo fa hametraka”candidature ville créative”satria sehatra lehibe iray maneran-tany izay ahitana tombontsoa, ka izany no nanosika azy ireo handray anjara, ny fanampaha-kevitra moa dia niarahana nidinika tamin’ny CUA ( Commune Urbaine d’Antananarivo).

▶️Nahitana “gargotiers” 130 isa no nisitraka ny fampiofanana izay misy an’i Zaimaika, Soamanatombo, Moof Mobile ary i Mahamasina.

▶️Tao anatin’izany fampiofanana izany dia hita fa nisy ny vokatra mba ho fampiharana ny fahadiovana sy fikarakaraina sakafo madio sy tsara, eo ihany koa fahalalana ny zavatra miseho sy ny fampitomboana ny traikefa efa nisy araky ny voalazan’ireo mpivarotra.

Marihina moa fa tsy ijanona amin’ireo faritra voatondro ireo ihany ny mpikarakara ny fampiofanana fa vonona ny hanamparitaka manerana ny Antananarivo.

Elisa Razafy

20 réflexions sur “ZAIMAIKA- Analakely : VITA SOA AMAN-TSARA NY ATRIKASA TOMBANA HO AN’IREO MPIVAROTRA HANI-MASAKA NA “Atelier d’évaluation gargotier”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *