Tsiroanomandidy : NISY NANDORO ANDROANY TAMIN’NY 3 ORA MARAINA NY BIRAON’NY SRMV

Antontan-taratasy maro momba ny fifidianana mbola no may vokatry ny doro trano fanahy iniana natao nihatra tamin’ny SRMV na ny (Section du recensement de matériels de vote) ao Tsiroanomandidy, androany tamin’ny 3 ora maraina.

Azo inoana araka izany fa gafigafy sy sotasota noho ny tsy fahazakana fironam-bokatra vonjimaika amin’ny ampahany no mety ho antony nanaovan’ny olon-tsy fantatra izao tranga mamoafady toa izao.

Rehefa may avokoa mantsy ny antontan-kevitra sy antontam-baovao ary antontan-taratasy kirakiraina, dia ho sahiran-tsaina hamaha an’iny aloha ny tompon’andraikitra isanisany.
Mampalahelo raha olona hofidiana hisolotena ny vahoaka no manana toetsaina handoro trano sy dosie toy izao.

Patrice Raveloson

16 réflexions sur “Tsiroanomandidy : NISY NANDORO ANDROANY TAMIN’NY 3 ORA MARAINA NY BIRAON’NY SRMV

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *