Toliara : FALY IREO MPONINA NAHAZO NY ANJARANY TAMIN’ILAY “HAZAVANA HO ANAO”

Tao Toliara no nanohizan’ny filoha Andry Rajoelina ny fitsidiham-paritra nataony omaly alahady andro Pentekosta. Ny antondia voalohany dia ny fanombohana ny andiany voalohany amin’ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro anatin’ny tetikasa HAZAVANA HO ANAO.

Tonga nanolotra Izany tao amin’ny Gymnase couvert Toliara Centre, ny filoha Andry Rajoelina. Ny nanombohana azy dia ireo mponina avy amin’ny fokontany Ambohitsabo, Betania, Tanambao ary Ankiambeba Bas. Tao anaty lahateniny dia notsipihany fa ” Na dia Pentecôte aza ny andro dia afaka nijanona niaraka tamin’ny fianakaviany ny filohampirenena, fa mbola misy fianakaviana akaikin’ny fony dia i Toliara ka Zay no nahatonga azy manao Pentecôte teto.

Nampatsiahy izy fa tamin’ny fampielezan-kevitra dia nilaza fa hizara jiro raha vao lany filohampirenena. Satria izay mitondra hazavana, mitondra Soa. Dia tonga ilay fotoana ankehitriny.” Manomboka fizarana jiro Isika androany ary tsy mijanona raha tsy mahazo jiro daholo ny olona mampiasa pétrole sy labozia manerana an’i Toliara”.

Mba ho fisitrahana izany dia misy ny carnet QR nozaraina eny amin’ny fokontany. Iny carnet manamora ny fandefasako fanampiana, Vatsy Tsinjo, Tosika Fameno, kits solaires ho anareo rehetra,. hoy ny filohampirenena. Iny carnet iny ihany koa dia tokony hanafoana ny fanilikilihana sy fanavakavahana, rehefa mizara Tosika Fameno..teo aloha manko misy mahazo, ary misy tsy mahazo noho ny ataon’ny sefo fokontany sasantsasany. Zao mahazo daholo fa tsy misy fanavakavahana, rehefa miteny ny filohampirenena.

Efa nanomboka ary tsy mijanona ny fizarana raha tsy mahazo ny tokantrano isaky ny Fokontany eto Toliara.Hovaina sy Hatsaraintsika ny fomba fiasa. Izay manana carnet, Tokantrano iray, carnet iray. Naverimberiny ny hoe : Tsy tokony hisy intsony hoe zay namanamana chef fokontany ihany no mahazo. Fa mazava ny carnet, rehefa mbola tsisy tampon dia mahazo.

Andry RAFIDINIRINA

Une réflexion sur “Toliara : FALY IREO MPONINA NAHAZO NY ANJARANY TAMIN’ILAY “HAZAVANA HO ANAO”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *