Tetikasa ” Métamorphose” : TETIKASA MIAVAKA MOMBA NY LAMAODY MIFANDRAIKA AMIN’NY FANAJANA TONTOLO IAINANA

Nisy ny fampahafantarana ny tetikasa vaovao mitondra ny anarana hoe” Métamorphose” izay nampahafantarin’ny Mpanolontsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Masoivoho Amerikana Craig Ferguson omaly.

Io tetikasa “Metamorphose” dia miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana maharitra sy manaja tontolo iainana eo amin’ny tontolon’ny lamaody.

-Tetikasa izay ho tantanin’ireo maintimolaly fito mianadahy nandray anjara tamin’ny International Visitor Leadership Program (IVLP) 2020 miompana amin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny lamaody.

-Ny “Metamorphose” dia mikendry ny hanaitra ny sain’ny be sy ny maro momba ny fiantraikan’ny indostrian’ny lamaody amin’ny tontolo iainana sy hanohana ny vehivavy mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpandraharaha maintimolalin’ny programa vatsian’ny governemanta amerikana vola.

-Mialohan’ny hetsika filatroana hatao ny 21 jona ao amin’ny Masoivoho Amerikana eny Andranomena dia hanao valan-dresaka sy fampirantiana mandritra ny roa andro ao amin’ny Lapan’ny Tanana Antananarivo ny 11 sy 12 jona ireo mpanorona lamaody ireo hampisehoan’izy ireo ny asa famoronana nataony izay manaja tontolo iainana sy hiresahan’izy ireo momba ny fiantraikan’ny lamaody amin’ny tontolo iainana.

-Amin’ny volana aogositra dia hanome fampiofanana ho ana vehivavy miisa 20 ny “Metamorphose” momba ny fahaiza-mamorona lamaody maharitra sy manaja tontolo iainana, toy fanodinana akora efa niasa, ny fanaovana lasitra fanjairana sy peta-kofehy ary ny fandrariana rafia.

Lycia ANDRIANIRINA

18 réflexions sur “Tetikasa ” Métamorphose” : TETIKASA MIAVAKA MOMBA NY LAMAODY MIFANDRAIKA AMIN’NY FANAJANA TONTOLO IAINANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *