TATITRY NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA

⭕ TATITRY NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA : 80% NY VEHIVAVY, NAVITRIKA AMIN’NY FAMPIDIRAM-BOLA FIVELOMANA

✅Teny amin’ny antenimieram-pirenena no nisataran’ny Minisitry mponina SOAFILIRA Princia, ny tatitra ny zava-bita sy mbola ho hatao ny Ministera iadidiany , nanoloana ireo solom-bavambahoaka ny Talata 30 May 2023 .

✅Ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina dia anisany lahara-pahamehana ny fitondram-panjakana Malagasy izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny mponina hoy ny Minisitra SOAFILIRA Princia .

✅Nihainga tamin’ny zava-bita nifototra amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny tatitra nataony :
Haraton’aina fiahiana ny mpiaram-belona : tohana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena sy ny IDA ary ny vola avy amin’ny fanjakana Malagasy,

✅Mizara telo ny haraton’aina izay mahatratra hatrany amin’ny 995.230 ankohonana no misitraka ny tetikasa.

🟩Asa avotra Mirindra :

🔸115.268 ireo tokantrano misitraka izany ao anain’ny faritra 12 ahitana Distrika 21.
Vatsin’Ankohonana :

🔸217.228 ny ankohonana misitraka izany ao anatin’ny faritra 21 ahitana Distrika 23.

🟩Araton’aina an-tanadehibe mijoro :

🔸27.941 Ankohonana misitra izany ao anatin’ny Faritra 3 ahitana Distrika 3.

🟩Araton’aina tanadehibe :

🔸2000 ny ankohonana misitraka izany ao anatin’ny Faritra roa ahitana Didtrika roa .
Asa vonjy voina kosa izay mitsinjara ho roa dia ny asa-tanamaro any amin’ireo Faritra traboina, izay voafaritrin’ny BNGRC :

🔸87.449 ny ankohonana misitraka azy.
Vatsy ara-bola tsy misy fepetra ho an’ireo traboina amin’ireo Faritra voafaritry ny BNGRC

🔸545.350 ankohonana no misitraka izany.

✅Ankoatra ireo dia misy ny tetik’asa Zara mira izay vatsian’ny UNICEF ,ary mpanatanteraka eny ifotony ny FID, ka ny faritra Anosy sy Fitovinany ahitana Distrika roa no voakasika ity tetik’asa ity.
Ahitana ankohonana 12.235 no misitraka izany .

✅Fa anisany hetsika iray lehibe izay nimasoan’ny Minisitra SOAFILIRA Princia vao nandray ny Ministera ny tenany ny fanatanterahina

✍️ Andry Rakotonirainy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *