Taombaovao Sinoa: NAKOTROKA NY FANKALAZANA

Fety manandanja be eo amin’ ny fiainany ny besinimaro ny taombaovao any Azia. Anisany izany ny firenena Shina izay mampiasa ny antsoina hoe « Calendrier Lunaire » ka ny « Fête du Printemps » na « Nouvel An Lunaire » no fiantsoana an’ izany. Ity kalandrie ity dia manaraka ny tsinam – bolana voalohany izay mifanindry amin’ ny fiovan’ ny taona sy ny fety, izay maha tonga ilay daty miovaova foana isantaona. Ny amin’ ity taona ity dia manomboka ny 22 Janoary 2023 izy io hatramin’ ny 09 Febroary 2024, izay hantsoina hoe taona ny bitro. Ny teto amintsika dia natomboka ny Sabotsy 21 Janoary 2023 lasa teo izany fankalazana taombaovao sinoa izany, izay notontosaina teo anoloana an’ ny Lapan’ ny tanana Analakely no nanamarihana izany nanomboka tamin’ ny 09 ora maraina hatramin’ ny 1 ora atoandro.

Tonga nanotrona izany ny olo manan kaja maro toa an ‘ ny Andriamatoa Zhang Wei « Chargé d’ affaires » an’ ny masovoho ny Shina eto Madagasikara, ny mpitantana ny « Institut Confucius » eny amin’ ny Université d’ Antananarivo, mpandraraha sinoa sy mpikambana « Association de la Communauté Chinoise à Madagascar », ny Seg, ny lehibehany ‘ny kaomandin’ I Zandarimaria sy polisimpirenena , solontenan ‘ ny Cua, Dg Projet présidentielle sy ny maro hafa « Fiarahana miaritory ary fahandretana labozia sy afo mena hanoherana ny zavatra sy fanahy ratsy mety handripaka tokantrano iray, no hataony ny fianakaviana sinoa eo ampiandrasana ny « Fête du Printemps ».

Sakafo mafilotra sarotra karakaraina tsy fanao isanandro, toy ny paty lava be mariky ny fahalavan’ny andro iainana, no hiarahan’ ny fianakaviana mihinana ny taombaovao. Ary ny loko mena no marika fahombiazana hoan’ ny kolontsaina sinoa » hoy i Sylvianna CHUE NOE mpampianatra ao amin’ ny « Institut Confucius » eny amin’ ny Université d’ Antananarivo. Na dia nirotsaka tsy akijanona aza ny orana dia tsy nampiheana ny fahavitrihana sy ny kalitao ny seho izay natolotra ireo mpianatry ny « Institut Confucius » hoan’ ireo olona maro tonga nanotrona izany fety be miavaka izany. Nifandimby tao ny hira, dihy, fitantarana angano, fisarihana sy fizarana loka samihafa hoan ‘ireo nitsikiny ny vintana, fampisehoana hay ady ary ny « Danse du Lion » izay tena manamarika ny fankalazana ny kolontsaina sy ny taombaovao sinoa.

Une réflexion sur “Taombaovao Sinoa: NAKOTROKA NY FANKALAZANA

  • 16 septembre 2024 à 19h07
    Permalien

    My spouse and I stumbled over here coming from a different page and thought I might
    check things out. I like what I see so now i am following you.
    Look forward to looking at your web page yet again.

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *