Ambatondrazaka :FIARAMANIDINA ULM 5RAAR NIANJERA, MATY NY MPANAMORY

Loza goavana no niseho teo Andilanatoby Ambatondrazaka io maraina io tokony ho
tamin’ny 8 ora 40 mn.

Fiaramanidina kely ULM, 5RAAR-PA28 ana Kaompania tsy miankina iray
no nianjera ka maty tamin’izany ny mpanamory na pilote nitondra azy.

Ny fanomezam-baovao no nahalalana fa nikasa ho any Manana izy izao nianjera izao.
Tsy nisy olona hafa afa-tsy ilay mpanamory tao anatiny.

Tonga nitangorona nijery ity tranga ity ireo olona tany an-toerana
natrehan’ny miaramila mpampandry tany.

203 réflexions sur “Ambatondrazaka :FIARAMANIDINA ULM 5RAAR NIANJERA, MATY NY MPANAMORY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *