Rts : NODIMANDRY ROGER RANDRIATOLOJANAHARY

Banga iray indray ny ray aman-dreny mpanohana ny tanora tao anatin’ny Distrikan’I Soavinandriana ITASY. Nodimandry mantsy Roger RANDRIATOLOJANAHARY, izay fantatra teo amin’ny fikolokoloana ireo tanora mpitia fanatanjahan-tena indrindra ny baolina kitra, tamin’ny fotoan’androny.

Mpanao gazety , Solombavambahoaka teo aloha , Mpanao politika , Mpandraharaha Roger Randriatolojanahary ary nahavita be tao Soavinandriana Itasy.

Izy rahateo no Filoha Tale Jeneralin’ny RTS na Radio Televiziona Soavinandriana 97.0 Mhz ka tamin’ny alalan’io onjam-peo io, dia maro ny fanohanana ny tanora nataony.

Maro ireo lalao notohanany ary nalefa nivantana tao amin’ny onjam-peony. Nisy ny tournoi samihafa izay nataony tamin’ireo Kaomina maro tao Soavinandriana Itasy ary isan’ny nahalalan’ny Malagasy maro an’izany tanora mpilalao baolina izany io onjam-peony io izany. Mbola tsy nisy tambazotra Facebook tamin’izany.

Mpanao gazety feno ihany koa izy. Manana ny karatra Matihanina OJM koa izy ary mitarika an’ireo mpanao gazety ao anatin’ny RTS.

Fa ankoatra izay dia mpanao politika ihany koa izy.

Ary efa Solombavambahoaka lany tao Soavinandriana Itasy.

Mpandraharaha ihany koa ary efa nanokatra orinasa fanamboarana mofo dipaina. Tamin’ny fotoan’androny ihany koa no nisian’izany SOA AGRO izay tranombarotra lehibe tao Soavinandriana Itasy.

Izahay eto amin’ny Ledefi-madagascar dia mirary fihononana feno ho an’ny fianakaviany

👉Araho hatrany ny vaovao samihafa ao amin’ny https://ledefi.mg/

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *