ROVA EO ANDOHALO

28 taona aty aoriana : MIVERINA MISOKATRA AZO TSIDIHANA NY ROVA

Azon’ny rehetra tsidihana ny Rova eo Andohalo manomboka izao. Isaky ny Alarobia hatramin’ny alatsinainy dia azon’ny daholobe ny mizaha izany. Iray alina ariary ny saram-pidirana raha hanao fitsidihana iray manonotolo ny olona iray. Dimy arivo ariary kosa raha ho an’ny ankizy.

Ny faha 18 jona 2023 teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fitsidihana ny Rova – izay natao mozea  ka ny Filoham-pirenena mivady no nanatanteraka izany.

Tao anatin’izay 28 taona nahamay azy izay dia miverina misokatra ho an’ny daholobe indray izany ity lapan’ny Mpanjaka fahiny ity. Amin’izao endriny ankehitriny dia misy ny fanavaozana natao. Natao mozea na musée moa ny Rova ary hitahirizana sy hanehoana ireo fiaimpiainan’ny Mpanjaka fahiny. Hanehoana ny fiandrianampirenena ihany koa ny fahavitan’ny Rova toa izao.

Ny zavatra azo ambara dia niova ho Rovan’i Madagasikara no fiantso ny Rova Antananarivo eo Andohalo. Feno zava-baovao manaraka ny toetrandro ihany koa toy ny fijerena ireo tantaran’ny Mpanjaka amin’ny 3D.

Khan R.

2 823 réflexions sur “ROVA EO ANDOHALO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *