Rolly Mercia : SAZY MIHATRA 30 VOLANA

Nivoaka anio 14 febroary 2023 tetsy amin’ny tribonaly Anosy ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha hafa hanenjehana an’i Harry Laurent RAHAJASON na Rolly Merci – #journaliste#ancien_ministre_communication.

Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitrisa Ariary – ireo no didy nivoaka.
“Faux témoignage” sy “dénonciation abusive” kosa no vesatra niampangana azy.

Niteny moa ny Avocat mpiaro azy fa raha ny lalana no jerena dia “tsy tokony mbola hisy ny fanenjehana eto Madagasikara an’io raharaha mandeha io izay marihana fa tsy eto Madagasikara fa any Frantsa izy io. Tsy mbola vita akory ny fitsarana ny raharaha any Frantsa mantsy “.

Marihana fa efa nisazy 40 volana #rolly_mercia no misy indray izany ity sazy vaovao ity. Izany hoe tsy afa-bela mihitsy izany ity minisitry ny SERASERA teo aloha ity fa vao vita ny saziny tamin’ny fanenjehana azy teo aloha dia ity indray misy sazy 30 volana vaovao mihatra aminy.

#rolly_mercia
#journaliste
#ledefi_madagascar

Araho hatrany ny vaovao samihafa eto amin’ny https://ledefi.mg

7 réflexions sur “Rolly Mercia : SAZY MIHATRA 30 VOLANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *