Raharaha Lola RASOAMAHARO

RAHARAHA TOMPON’NY LA GAZETTE : NANAO VALAN-DRESAKA HO AN’NY MPANAO GAZETY i VICTOIRE RAZAKA BRIGITTE – IZAY MPITORY AN’I LOLA RASOAMAHARO ANDROANY ALAHADY 26 MARSA 2023

Fampitahorana mba handoa ny vola 885 tapitrisa ariary sy fanalana baraka ary fandokoana sy fanoratana amin’ny rindrina Graffitis miisa 40 teny amin’ny rindrina , fampiasana taratasim-bola amin’ny anaran’i Victoire Brigitte RAZAKA , ireo no anisany nitorian- dRamatoa Victoire Brigitte RAZAKA an’i Lola RASOAMAHARO tompon’ny La Gazette , ka natafiditra eny am-ponja vonjy maika azy omaly sabotsy alina , araka ny fanambarana nataon’i Victoire Brigitte RAZAKA tamin’ny mpanao gazety androany 26 Martsa 2023.

Ny herinandron’ny 05 Febroary 2023 dia mbola nitohy ny fampitahorana hoy ihany ny mpitory ka voatery niala lavitra ny trano fonenany ny tenany ho fiarovana ny ainy sy ny fianankaviany , ary izao niafara tamin’ny fitoriana izao . Notsindrian’ny mpisolovava an’i Victoire Brigitte RAZAKA fa tsy misy hidiran’ny asa gazety sy politika ity raharaha ity, misy rahateo ny porofo momba ireo voalaza ireo saingy noho ny raharaha izay mbola eny anivon’ny fitsarana dia noezahina tsy nampafantarina am-pahibemaso.

Izay moa ny fanazavana avy amin’ny mpitory ary andrasana ihany koa ny fanazavana avy amin’ny mpisolovava ny toriana amin’ny raharaha tahaka itony – mba ho feno tsara ny vaovao azon’ny mpanara-baovao.

Andry RAKOTONIRAINY

7 réflexions sur “Raharaha Lola RASOAMAHARO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *