PFSCE:MBOLA AMBANY NY TAHA FANANANA KOPIA ETO MADAGASIKARA

Nanatanteraka atrikasa fanolorana ny torolalana mahakasika ny fanambaram-pahaterahana ny PFSCE ,ny 15 Martsa 2023.Atrikasa fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fananana kopia nahaterahana no tena antom-pisian’ny atrikasa ,izay niarahana niasa tamin’ny OIF sy ny masoivohon’ny Frantsa.

 Zo fototry ny ankizy ny fahazoana kopia ara-dalàna,nefa mbola maro no tsy misitraka izany eto Madagasikara.Efa mahatratra hatramin’ny 20 isanjato ny tahin’ny ankizy latsaky ny 18 taona tsy manana io kopia ,zo fototra io eto amintsika.Manano sarotra ny ray aman-dreny, indrindra ireo avy any ambanivohitra, etsy ankilany ny dingana sy ny lalana arahina hahavitana izany kopiam-pahaterahana izany.

Ny fanjakana dia efa manamora ny fahazoana ireny kopiam-pahaterahana ireny.Ny famitana ny kopia ho 30 andro ,ny fampitomboana ny toerana sy ny faritra fanamboarana ny kopia ,ary ny fisian’ny torolalana eny amin’ireny toerana rehetra ireny,ary koa ny fisian’ny boky torolalana mahakasika ny fanambaram-pahaterahana ataon’ny PFSCE.

Raha ny nambaran’ny vovonan’ny PFSCE ,RAMIARINARIVONIRINA Mariah,dia faritra telo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao no mbola iseharan’ny PFSCE amin’izao dia ny faritra Analamanga , Atsinanana ary ny faritra Vatovavy amin’ity taona ity.

Alex R./Olivia R.

182 réflexions sur “PFSCE:MBOLA AMBANY NY TAHA FANANANA KOPIA ETO MADAGASIKARA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *