Eddy RAZAFY : Manazava ny trangan-javatra niseho teo amin’ny Fokontany Ambodivondava Alasora

Eddy RAZAFY : Manazava ny trangan-javatra niseho teo amin’ny Fokontany Ambodivondava Alasora

📌Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny fokontany Ambodivondava Alasora ny maraina teo – 6 Avril 2023.Tovolahy manodidina ny 30 taona no hita faty nihohoka tao anaty dobo,izay efa tena simba tanteraka moa ny razana.

Raha ny fanadihadiana natao tamin’ny lehiben’ny fokontany Ambodivondava Alasora, RAZAFY Eddy,dia olona handeha hijery voly anana maraina teo amin’ny manodidina ilay bodo ,no nahita ilay faty nitsingevana efa notangoronan’ny lalitra sy nosaroman’ny tsikafona.Raha ny nambaran’ny lehiben’ny fokontany hatrany,dia efa herinandro teo no tao anaty rano ny razana,antony nahasimba azy tanteraka.Efa teny an-toerana moa ny zandary sy ny mpitsabo ,fa mbola tsy fantatra mazava kosa ny antom-pahafatesana.

📌Raha nanantona ny fianankavian’ny maty kosa izahay,dia nambaran’izy ireo tamin’izany fa efa tamin’ny zoma maraina izy io no tsy hita.Efa nanantona ny zandary izy ireo ,ary koa nanao fomba fitadiavana rehetra,ka izao nahita ny havany maty izao.Nomarihin’ny havany koa ,fa tsy dia salama saina ny havany,ka efa in-telo amin’izao izy no notadiavina tahaka izao.
Tsy maintsy nalevina androany ihany moa ny razana ,noho ny fahasimbany tanteraka.

Nanangona :Alex R.

2 réflexions sur “Eddy RAZAFY : Manazava ny trangan-javatra niseho teo amin’ny Fokontany Ambodivondava Alasora

  • 7 avril 2023 à 6h19
    Permalien

    MIARAHABA TOPOKO ; mbola afaka manao verification ny liste mpifidy ve ety am fokotany topoko sa aiza no mandeha

    Répondre
  • 7 avril 2023 à 6h17
    Permalien

    misaotra am fandraisana andraikitra aloha e. fa mba jereo kely le ety am fokontany alasora ety koa fa misy olona manao tapage nocturne kanefa misy zaza mianatra ane ato e

    Répondre

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *