« SALON DE L’ELECTRICITE, DES ENERGIES RENOUVELABLES ET DES HYDROCARBURES »

Nosokafana androany tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika “Salon de l’Electricité des Energies, Renouvelables et des Hydrocarbures ” andiany faha-2 izay atao etsy amin’ny Palais de sport Mahamasina. Tonga nanokatra izany tamin’ity anio ity ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo. Ny hetsika rahateo dia eo ambany fiahian’ny ministera izay tantaniny.

Zava-dehibe ny hetsika tahaka izao ho entina hitondrana ireo vokatra maro sy azo ampiasaina eto Madagasikara amin’ny alalan’ny resaka angovo azo havaozina . Ho anao izay mikasa ho eny dia manasa anao izahay fa hahita zava-baovao mahaliana ianao.

Maro ny zavatra hita mandritra ny hetsika ary mahery ny  20  ireo matihanina mandray anjara amin’izany . Omena sehatra manokana ny tanora ao anatin’ity hetsika fampiratiana ity .

Haharitra telo andro ny fampiratiana ka hifarana ny 10 Jona 2023 ho avy izao. Misokatra ho an’ny rehetra araka izany ny “Salon de l’Electricité des Energies, Renouvelables et des Hydrocarbures ».

LIONEL ANDRIANANTENAINA

2 808 réflexions sur “« SALON DE L’ELECTRICITE, DES ENERGIES RENOUVELABLES ET DES HYDROCARBURES »

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *