Monja Roindefo: “EO FOANA NY ANTOKO MONIMA…”

Monja Roindefo: “EO FOANA NY ANTOKO MONIMA…”

Nisy ny fananteram-bonikazo natao teo Ambohijatovo androany 29 martsa 2023 ho fahatsiarovana ireo mahery fo ny tolom-pahafahana 1947, ka an’isany ireo mpanao politika tonga teny antoerana Andriamatoa Monja ROINDEFO.

Ho tsaroana foana hoy izy ny fotoana tahaka izao hatsiarovana ireo mahery fo tamin’izany tolom-pahafahana izany izay nazahoan’ny Malagasy ny fahalevantenany.

Misy hifandraisany ny tolona izay natao raha ny nambarany hatrany, ny amin’ny fampitahana ny taloha sy ny ankehitriny dia ny fananana zo amin’ny maha olona fa ny ankehitriny kosa dia miendrika tsy fandriampalemana sy ny maro hafa raha ny nambarany.

Nambarany tao ihany koa fa ny Antoko MONIMA dia mbola eo foana ka manana soson-kevitra ho entina hantsarana ny fifidiana izy ireo. Raha ny momban’ny fifidianana hoy izy dia misy andraikitra hifampisalovanana ny Fitsarana Avo momban’ny Lalam-panorenana sy ny CENI ny amin’ny fifidiana ka io
mila halamina. Tokony ho lamina iray ihany hoy izy no arahina manomboka eny amin’ny biraom-pifidianana ka tokony ho sorohana izany, ary tokony fifidianana madio sy mangarahara hisokatra ho an’ny rehetra azo antoka hampanjakana ny demokrasia.

Olivia R./ Sary: RHA

148 réflexions sur “Monja Roindefo: “EO FOANA NY ANTOKO MONIMA…”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *