MINISTRA 3 LASA MPANOLOTSAINA

Filankevitry ny Ministra: MINISTRA TEO ALOHA MIISA 3 NOTENDRENA HO MPANOLOTSAIN’NY FILOHA

Notendrena ho Mpanolotsain’ny Filoham-pirenena ny Minisitra teo aloha maromaro. Nahazo Mpanolotsaina ihany koa ry zareo ao amin’ny Masoivohon’i Madagasikara ao Paris.
Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra moa no nampahantarana izany. Ireto avy ry zareo ireo vao notendrena:
. Voatendry ho mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika , misahana ny raharaha ara-toekarena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina i Ramatoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina
.Voatendry ho mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika , misahana ny diplaomasia sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany Andriamatoa Patrick Rajoelina
. Voatendry ho mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika , misahana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony Andriamatoa Tianarivelo Razafimahefa
. Voatendry ho mpanolotsaina any amin’ny Masoivohon’i Madagasikara any Paris France , eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny i Ramatoa Pelandroy Esperance.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *