ESPACE JEUNE ENTREPRENEUR :MAMPORISIKA NY TANORA HISEHATRA AMIN’NY FANDRAHARAHANA

Nosokafana androany tamin’ny fomba ofisialy tetsy Anosy,ny Espace Jeune Entrepreneurs (EJE),izay sehatra iray miompana tanteraka amin’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. Fomba iray entina hisarihana ny sain’ny tanora hitia sy hisehatra ny lafiny fandraharahana ny hetsika varavarana misokatra tahaka izao.Eo ihany koa ireo toro lalana sy fampahafantarana ny tontolon’ny varotra misy eto amintsika ahafahana mampivelatra ny sain’ny tanora.

Fa ny tena zava-dehibe ,dia ny fihaonana eo amin’ireo efa matihanina amin’izany tontolon’ny fandraharahana sy ireo lalam-barotra rehetra misy manerantany.Hisy araka izany ny fifanankalozan-kevitra hifanaovan’ireo samy efa matihanina miaraka amin’ireo tanora mitsidika ny hetsika. Mandritra ny roa andro moa no hanatanterahana ny hetsika ao amin’ny Cartlon Anosy, ary tsy mifarana raha tsy rahampitso izany hetsika izany. Maro ny mpanohana ny hetsika EJE ,ka ny ministeran’ny varotra ,industria ary ny fanjifana ,dia anisan’ny mpanohana akaiky.Eo ihany koa, ny masoivohon’ny Frantsa,?Nexta,PNUD, ary ny CEERE. .

Mila fahavononana ara-tsaina ny fidirana anaty fandraharahana.Mila finiavana sy fanohanana ny tanora eto Madagasikara,raha ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Ceere, andriamatoa BENJAKA Iavo.Izany no hisian’ny hetsika tahaka ny EJE,hanosehana azy ireny.

Alex R./Olivia R.

233 réflexions sur “ESPACE JEUNE ENTREPRENEUR :MAMPORISIKA NY TANORA HISEHATRA AMIN’NY FANDRAHARAHANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *