Minisitry ny Fitsarana : TSY NAHAZOANA ALALANA IO FAMORIAM-BAHOAKA RAHAMPITSO IO

Nanao fanambarana ny Minisitry ny Fitsarana, Landy Mbolatiana ANDRIAMANANTENASOA fa tsy nahazoana fahazoan-dalana ny famoriam-bahoaka kasaina vondron’olona hatao eo amin’ny kianjan’ny 13 mei Analakely rahapitso 04 novambra 2023.

 Ny didy hitsivolana 60-082 tamin’ny 13 aogositra 1960 no mifehy ny famoriam-bahoaka manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Voalaza ao amin’ny andininy faha-8 fa ilàna fahazoan-dalana ny famoriam-bahoaka. Mifanindran-dalana amin’izany ny voalazan’ny andininy faha-11 fa mahavoasazy ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana.

289 réflexions sur “Minisitry ny Fitsarana : TSY NAHAZOANA ALALANA IO FAMORIAM-BAHOAKA RAHAMPITSO IO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *