Ambovombe-Tsihombe- Amboasary-Antanimora – Fort Dauphin : NANAMAFY NY FANOHANANY NY KANDIDA LAHARANA FAHATELO

Iny tapany atsimo iny no nanohizan’ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina ny fampielezankevitra omaly.

Teto Ambovombe – tao Antanimora – Tao Tsihombe – Tao Amboasary ary tonga tao Fort Dauphin izy sy ny ekipa mpiara-dia taminy.

Feno hipoka ary tsy antonona ny mpanohana ny kandida laharana faha-3 ny kianja nandraisana azy. Rakotry ny volomboasary tanteraka ny tanana. Noporofoin’ny vahoakan’i Faritra Atsimo fa tena tia ary manohana an’i Andry Rajoelina ny vahoaka eto hoy i Andry Rajoelina raha nandray fitenenana.

Rehefa nisy ny cyclone, ny COVID dia tonga taty hatrany aho. Amin’ny andro sarotra no tena ahafantarana ny tena Raiamandreny sy ny tena namana.


Matoa aho mbola kandida androany dia noho ny fitiavana. Izay no mibaiko ahy. Tsy fahefana no tadiaviko fa ny fitiavana ny vahoaka malagasy
Ny fampandrosoana tsy hita teto hatramizay nataotsika daholo

Tsy maintsy mandresy premier tour enao hoy ny vahoaka.

Isan’ny hahazo ilay tetikasa famokarana herinaratra ny aty Atsimo. Isan’izany Ambovombe . ” Hametraka eto Ambovombe ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro parc photovoltaïque goavana be.
Vao vita ny fifidianana dia hizara kit solaire isan-tokatrano.
I Andry Rajoelina dia hitondra hazavana isaky ny tokatrano. Nanentana ny vahoaka teto MBA hifidy aminy 16 novambra hanova ny tantaran’i Ambovombe.

Ireo toerana rehetra voalaza tetsy ambony ireo dia samy nanome toky ary resy lahatra tamin’ny kandida laharana fahatelo ary hifidy azy amin’ny 16 novambra.

Nomarihana tamin’ny fanomezana tsodrano teo imasom-bahoaka izany ary nahazo tsodrano hatrany Andry Rajoelina isaky ny faritra na site anaovany fampielezan-kevitra. Ny tsodrano zava-mahery hoy isika.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *