Madajeune : TANTERAHANA ENY AMIN’NY AKOOR DIGUE NY SALON DES ETUDES INTERNATIONALES

Nisokatra ny voalohany volana Martsa 2023 ny ” Salon des Études Internationales” andihany faha-13 izay karakarain’ny Madajeune etsy amin’ny Akoor’digue Andohatapenaka . Maharitra roa andro ny hetsika izay hampafantarana sy hanoroana ireo ankizy malagasy mitady sy maniry ny hianatra any ivelan’ny Madagasikara.

Ny antompisian’ny hetsika tahaka izao ihany koa dia entina hanampiana sy hanoroana ireo ankizy ny torolalana tokony ho harahina sy ny zavatra tsara ho fantatra raha hianatra any ivelany. Eo ihany koa ny fampafatrana azy ireo ny fomba sy ny fiainana misy any amin’ny firenenana iray alohan’ny andehanan’ny mpianatra .

Manodidina ny 20 ny oniversite nanadray anjara tamin’ity taona ity . Ary afaka misafidy tsara ny firenena izay mety sy tiany andehana ny mpianatra. Araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany dia manodidina ny 600 isantaona eo ny mpianatra malagasy mianatra any ivelan’ny Madagasikara . Ka mampirisika ny ankizy izay maniry hianatra any ivelany ho tonga hitsidika ny “Salon des Études Internationales” .

Nangonin ‘i PATRICE RAVELOSON

6 réflexions sur “Madajeune : TANTERAHANA ENY AMIN’NY AKOOR DIGUE NY SALON DES ETUDES INTERNATIONALES

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *