Lisim-pifidianana : HATRAMIN’NY 31 MAY 2023 NY FISORATANA ANARANA

Ny faraparan’ny volana janoary 2023,dia efa nanomboka hita soritra sy nipoitra tsikelikely ireo antoko politika handray anjara amin’ny fifidianana amin’ity taona ity.Efa maromaro ihany koa ireo mpanao politika sy antoko politika no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsaha-kofidianana ny kandida ho filoham-pirenena tsirairay,ny fitetezam-paritra koa etsy ankilany efa tena mandeha.

Raha tsiahivina moa dia,efa nankatoavin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana na ny HCC ny daty natolotry ny CENI hanatanterahana ny fifidianana fihodinana roa eto Madagasikara.Ny 9 Novambra 2023, moa ny fihodinana voalohany ; raha toa ka 20 Desambra 2023 ny fihodinana faharoa.

Ankotra izay,dia manohy ny fanentanana ny olom-pirenena fena 18 taona amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana hatrany ny CENI sy ireo ratsa-mangaika rehetra ao aminy,izay hifarana ny 31 May ho avy izao izany fisoratana anarana ho an’ny olom-pirenena eny amin’ny fokotany.

 Nanangona : Alex R.

8 réflexions sur “Lisim-pifidianana : HATRAMIN’NY 31 MAY 2023 NY FISORATANA ANARANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *