Lisi-pifidianana: TSY TRATRA NY TANJONA

FANAVAOZANA MANONTOLO NY LISI-PIFIDIANANA: -Tsy tratra ny tanjona napetraka hanoratana mpifidy 13 500 000 ao anatin’ny lisi-pifidianana


Tsy maintsy atao amin’ity taona 2023 ity ny fifidianana filoham-pirenena izay efa voafaritry ny lalàmpanorenana


Miisa 9 675 145 ireo mpifidy voasoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana hatramin’ny volana janoary 2023, araka ny tatitra vonjy maika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Mbola hitombo io isa io rehefa tafiakatra avokoa ny lisitra avy any amin’ny fokontany sy kaominina mbola tsy nahatonga ny karine fanisana eny anivon’ny distrika izay misahana ny fampidirana izany anaty solosaina.

Tsy tratra ny tanjona napetraka dia ny hampiditra mpifidy miisa
13 500 000 ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ny fenitra iraisam-pirenena no antony nametrahana io tanjona io izay mametra ny tokony hananan’ny Firenena iray mpifidy atsasaky ny isan’ny mponina ao aminy. I Madagasikara dia manana mponina miisa manodidina ny 27 tapitrisa ka niainga tamin’io ny famaritana ny tanjona napetraka.
Ny olan’ny karapanondro sy kopia, ny tsy fisoratana anatin’ny rejisitry ny fokontany, ny tsy fahampian’ny fanentanana no nambaran’ny tompon’andraikitra fa tsy nahatrarana io tanjona io.

 Ny 31 janoary lasa teo no nifarana ny fitetezan-trano nataon’ny mpanisa mpifidy teny ifotony isam-baravarana. Mitohy kosa anefa ny fisoratana anarana eny anivon’ny biraom-pokontany hatramin’ny 09 jona 2023.

Nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana fa hatao ny fifidianana voafaritry ny lalàmpanorenana: “Tsy manana safidy isika fa tsy maintsy misy ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona 2023 ity satria tapitra amin’ny 19 janoary 2024 ny fe-potoam-piasany”, hoy izy. Notsindriany fa hatao ny fomba rehetra ahitana ny tetibola hanaovana io fifidianana  filoham-pirenena io. Eo am-pamolavolana ny tetiandrom-pifidianana amin’izao fotoana izao izay haroso eo anivon’ny Fitondrampanjakana tsy ho ela.

Nangonin’i H.R.

14 réflexions sur “Lisi-pifidianana: TSY TRATRA NY TANJONA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *