KAOMINA TALATAMATY

Kaominina Talatamaty : HETSIKA HAMPIROBOROBOANA NY TANTSAHA

📌 Manatanteraka hetsika ho an’ny tantsaha ny kaominina Talatamaty,tsena mampisongadina ny vokatry ny tany ,ny fiompiana ,ireo asa tanana rehetra vitan’ny zavaky ny kaominina no haranty sy hita ao amin’ity hetsika ho an’ny tantsaha ity.Ny zava-misy rehetra ao amin’ny kaominina dia hita ao avokoa.

 Andiany faharoa ny hetsika,ka nosalorana ny anarana,"Tsenabe ara-toekarena",entina hanasongadinana ireo tantsaha maro,izay mamaritra ny ampahany betsaka ny mponin'ny Talatamaty.Enti-manampy ny tantsaha ny hetsika toy izao,raha ny nambaran'ny ben'ny tanànn'ny Talatamaty hatrany.Maharitra efatra andro ny hetsika,ka natomboka sy nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly  21 Jona,ka tsy hifarana raha tsy ny 24 Jona ho avy izao etsy amin'ny aerovillage (score) Talatamaty.

 Araka ny nataon'ny kaominina tamin'ny hetsika andiany voalohany,dia manome fiofanana ho an'ny tantsaha ,zanaky ny kaominina Talatamaty ny ben'ny tanàna miaraka amin'ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka amin'izy ireo.Misy ihany koa ireo tosika maro,toy ny fanomezana masom-boly,ary koa ny fanohanana amin'ny alalan'ny hetsika lehibe toy izao.

📌Ny tanjon’ny kaominina amin’izao hetsika izao,dia ny fampiroboroboana ny kaominina,eo ihany koa ny fanampiana ny tantsaha hamoaka ny vokatra misy eny an-toerana.Azo lazaina ho tsara ny vokatra tamin’ity taona ity,na dia teo aza ny fisian’ny havandra namotika ny vokatra.

✍️Alex R.
📷Hubert

2 771 réflexions sur “KAOMINA TALATAMATY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *