Kaomina AMPITATAFIKA

Kaomina Ampitatafika : MALAINA NY OLONA HANDOA HETRA

Maro sy betsaka ny asa ho entina hampandrosoana ny kaominana hoy Rado RAMPARAOELINA ben’ny tanàna Ampitatafika anisan’izany ny fananganana sekoly , fanamboaran-dalana , ny fanajarina ny tontolo iainana izay ataon’ny mponina hanatsarana ny tanàna, ny fambolen-kazo ary ny fametahana ireo jiro eny amin’ny lalàna izay antony ny tsy fandriampahalemana . Momba izay tsy fandriampahalemana izay ihany dia nilaza ny tompon’andraikitra momban’izay resaka tsy fandriampahalemana izay dia niisa 181 ireo jiro mande amin’ny herin’ny masoandro izay napetaka teo amin’ny kaominina Ampitatafika fa noho izay resaka tsy fandriampahalemana izay dia tsy hita ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo ka manjaka ny asan-jiolahy sy ny alabotry , efa misy anefa hoy izy ny fiaraha-miasa ny kaominina sy ny ireo mpitandro filaminana izay efa manao ny asany amin’izay resaka tsy fandriampahalemana izay.

Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny kaominina ihany koa ny resaka hetra eo anivon’ny kaomina nanazava izany tompon’andraikitra mahakasika ny hetra ; araka ny nambarany dia somary malaina ny mponina ny amin’ny fandoavan-ketra nohon’ny fasahiran’ny hoy izy no anton’ny mahatonga ny mponina tsy maha-voaloa izay hetra izay. Ao anatin’izany anefa dia efa miezaka ny kaominina midina hifotony manentana sy mitety fokontany ny amin’izay fandoavan-ketra izay.

Olivia R.

252 réflexions sur “Kaomina AMPITATAFIKA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *