KANDIDA SOLOMBAVAMBAHOAKA ANDRIALEMIROVASON MOEZ AMIROUDINE : “FENO HOSOKA SY HALA-BATO TANTERAKA NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA TANY AMIN’NY DISTRIKAN’I BETROKA”

Nanambara ny kandida solombavambahoaka mahaleotena tany amin’ny distrikan’i Betroka, Andrialemirovason Moez Amiroudine antsoina hoe Amir fa nanjakan’ny hosoka sy hala-bato tanteraka ny fifidianana solombavambahoaka tany an-toerana. Noho izany dia heveriny fa tsy hitondra filaminana ho an’ i Betroka ny mety ho voka-pifidianana satria tsy lany tamin’ny alalan’ny safidim-bahoaka ny olona mety ho lany eo. Koa mendrika izany kandida nanao hosoka sy nangala-bato izany, hoy izy ny fanesorana azy tsy ho isan’ny mpifaninana (disqualification). Rehefa tsy hanala an-daharana io kandida io ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, hoy ihany izy dia angatahiny ny hanafoana manontolo ny voka-pifidianana tao amin’ny distrikan’i Betroka sy hamerenana ny fifidianana ho fanomezan-danja ny safidim-bahoaka malalaka.

Ny kandida mitondra ny laharana voalohany sady solombavambahoaka am-perinasa no voalazan’ny kandida Amir fa nanao izany hosoka sy hala-bato izany tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy firaisana tsikombakomba tamin’ireo mpiasam-panjakana tompon’andraikitra sasantsasany teo anivon’ny distrika, teo anivon’ny kaominina, teo anivon’ny fokontany, teny anivon’ny rantsa-mangaikan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, nialoha sy nandritra ny fifidianana. Nisy ihany koa ny fandikan-dalàna narahana fihantsiana nataon’io kandida io taorian’ny fifidiana ka saika nitera-doza raha tsy nanam-pahendrena ny vahoakan’i Betroka.


Efa nametraka fitoriana mikasika izany eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana miaraka amin’ny porofo mazava ny kandida Amir. Heverina fa hanome lanja ny zo fototry ny olom-pirenena mpifidy ity Andrimpanjakana ity eo anatrehan’izany fitoriana izany ka hanadihady amin’ny antsipirihany ireo fandikan-dalana itarainan’ny mpitory ary sahy hanasazy izay tompon’antoka ho fanamafisana orina ny tany tan-dalàna sy ho sazy ohatra velona eto amin’ny Firenena manoloana ireo feo miparitaka mikasika ny hosoka sy hala-bato ary fanaparam-pahefana manohintohina ny safidim-bahoaka.

Navoitran’ny kandida Amir fa namory ireo sefo fokontany ny lehiben’ny distrika nialohan’ny fifidianana ary nilaza mivantana fa tsy maintsy atao izay hahalany io kandida laharana voalohany sady solombavambahoaka am-perinasa io. Nisy ihany koa ny famindrana toeram-piasana ireo delegem-panjakana eny anivon’ny kaominina sy ny lefitry ny lehiben’ny distrika izay tsy nanaiky nampiasain’io solombavambahoaka io hiray tsikombakomba aminy hanao hosoka sy hangala-bato. Nampiasa sary (poster) misy sarina zaza varira tsy ampy taona, mpitandro filaminana manao fanamiana sady am-perinasa ary sarina masera ihany koa io kandida io nandritry ny fampielezan-kevitra.


Nandritry ny fifidianana dia nisy ny fampiasana bileta tokana efa vita marika ho an’io kandida laharana voalohany io. Nisy ihany koa fizarana kara-pifidianana ka nahafahana zaza tsy ampy taona nandatsa-bato sy fahafahana nifidy tsy nisy kara-panondro. Tsikaritra ihany koa fa betsaka ireo olona nahazo kara-pifidianana nandritry ny fifidianana Filoham-pirenena no niverina tsy afaka nifidy satria tsy nahita ny anarany tao anaty rejisitry ny mpifidy. Heverin’ny kandida Amir fa vokatry ny fampifamadihana ny filaharan’ny anarana sy fanampin’anaran’ny mpifidy voasoratra anarana nataon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana no nahatonga izany. Niteraka fahasarotana tamin’ny fikarohana ny anarana tao anaty rejisitra anefa izany. Raisin’ny kandida Amir ho niniana natao izany.
Iray andro taorian’ny fandatsaham-bato dia nanao filaharambe nanerana ny tanànan’i Betroka renivohitra ny kandida laharana voalohany sady solombavambahoaka amperinasa sy ny mpanohana azy. Nandritra izany dia nanao fihantsiana mivantana tamin’ireo kandida sy ny mpiara-dia aminy ireo mpilahatra ireo. Raha tsy nanam-pahendrena izy ireo dia mety ho ra mandriaka no nitranga tany Betroka, hoy ny kandida Amir.

Marihina fa nisy kandida mpifaninana miisa telo tany Betroka, iray kandidan’ny Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina ary ny roa samy kandida mahaleotena. Araka ny fironan’ny safidy navoakan’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana dia mitarika ny kandida mahaleotena sady solombavambahoaka am-perinasa Nicolas Randrianasolo.

Reportage PATRICE RAVELOSON

Photo : HERINIAINA RAMAMONJISOA

186 réflexions sur “KANDIDA SOLOMBAVAMBAHOAKA ANDRIALEMIROVASON MOEZ AMIROUDINE : “FENO HOSOKA SY HALA-BATO TANTERAKA NY FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA TANY AMIN’NY DISTRIKAN’I BETROKA”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *