Kandida N ° 3 – Andry RAJOELINA : NY VAHOAKA IHANY NO MASIMANDIDY

Tany Antsiranana ny Kandida N°3 Andry Rajoelina –  niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany lahy. Vahoaka marobe no nanotrona azy ary nampiseho fa iray fo aminy.

FANTATRO NY FITIAVANAREO AHY

Efa ela no naha Antsiranana an’ Antsiranana. Efa im-betsaka no tonga teto aho. Manana tantara i Antsiranana ato ampoko ary tiako. Efa betsaka izay fihaonana nataoko teto izay fa mbola tsy nisy vahoaka vory marobe toy izao. Fotoana fanombohana fampielezan-kevitra androany. Tsy nisalasala nisafidy ny tendron’i Madagasikara hanombohana izany aho. Fantatro ny fitiavanareo ahy. Antsiranana tsy miova loko ary miloko volomboasary hatrany. Efa mifamatotra isika ary betsaka ny asa nataotsika teto. Ny fampanantenana izay nataoko taminareo dia tanterahina avokoa. Raha hadino fona Antsiranana hatramin’izay, tsy hadino intsony izy ankehitriny. Mendrika fandrosoana i Antsiranana. Anisan’ izany izao kianja izao. Maro ny nitondra fa tsy mba nijery ny fampandrosoana tena ilainl ny vahoaka. Betsaka ny aina avotra tamin’ny hopitaly manarapenitra. Ny hopitaly ao aminy Place Kabaro izay vita tamin’ny 1901 dia isika no nanavao azy. Ny vahoaka ihany no masi-mandidy sy mifidy. Misy kandida maromaro matahotra fifidianana ka tia manakorontana. Rehefa izaho no mirotsaka dia tsy maintsy lany.

TSY MIOVAOVA…

Tsapako ny fitiavanareo hatreny aminy seranam-piaramanidina Midika izao fa tsy hisy haharesy an’i Andry Rajoelina raha mbola eto Antsiranana. Tsy miovaova loko fa Volomboasary ihany. Tokam-po ny vahoakan’Antsiranana mitovy amin’i Andry Rajoelina. « Numéro 3 ». Misy dikany lehibe io. Isika manam-pinoana. llay fitiavana naparitantsika manerana an’i  Madagasikara dia ao anatin’iny. Tsy misy mihitsy fankahalana handresy ny fitiavana. Araky ny hiran l i Caesar hoe na maro fahavalo i Antsiranana tsy miala aminao. Betsaka ny zavatra vitantsika teto Atsiranana toy ny kianja manarapenitra, hopitaly, lisea, tranobenl ny kolotsaina sy serasera, ny « maison des Finances » izay vao notokanantsika vao tsy ela akory izay, ny lalana, ny ankamaroanl ny lalana eto Antsiranana dia nataontsika avokoa. Mbola tsy nisy Filoha nanao asa betsaka sy tia any Antsiranana ankoatra an’i Andry Rajoelina.

VALIN-KAFATRA…

Ny mpanenjika dia misy fona. Mitovy aminy « mondial » rehefa tsy tonga ianao dia mandresy izay manao. Isika tsy mihemotra fa miroso hatraminy farany. Valin-kafatra hoan’ireo izay mivazavaza any. Aleo hitabataba izay mitabataba fa ny tompony fahefana dia ny vahoaka ihany ary ny vahoaka dia miaraka amin l i Andry Rajoelina. Na hiankavia ianao na hiankavanana na ho aiza na ho aiza tsy maintsy i Andry Rajoelina ihany no safidinl ny vahoaka. Na hivadibadika. Ny lalan’ i Ramena tsy nisy raha tsy isika no nanamboatra azy. Maro dia maro ny asa nataontsika. Hatrany Manongalaza nanaovantsika hopitaly CSB2. Lalana tsy maintsy nizorana ny fananganana fotodrafitrasa. Fa hijery anareo manokana aho manomboka izao. Hanampy anareo sy hanakaiky be be kokoa anareo aho aminy mandat manaraka. Hijery anareo tanora ny vehivavy, ny fikambanam-behivavy. Mila Prezida tanora, « visionnaire » manana vina, Prezida matanjaka. Hasiana « piste en tartan » ity kianja ity.

VAHANA NY OLAN’NY SECREN

 Mikasika ny olan’ ny SECREN. Misy olana tsy maintsy vahana ao. Izay ny nandoavantsika ny volanl ny retraités rehetra. Tsy maintsy mahita vahaolana isika. Tsy mbola nisy vahoaka ohatra izao nanotrona praopagandy izao. Tsy misy olona intsony any an-trano any fa tonga manotrona an’i Andry Rajoelina. Tsy misy adihevitra tsy misy « discussion » fa raha eto Antsiranana sy manerana an’i Madagasikara dia hoporofoin-tsika fa tsy hisy haharesy antsika eto. Raha izao dia « Premier tour » dia vita ny fifidianana. Ny mahatonga ahy mbola hijoro dia ny fitiavako anareo. Mila olona tia tanindrazana ity firenena ity. Mila olona tsy tia seza fotsiny fa olona manam-pitiavana. Tsy ho hadino intsony Antsiranana. Betsaka ny asa vita fa betsaka ihany koa ny mbola hatao. Ampio aho hahafahako manampy anareo tsy an’asa sy ianareo renim-pianakaviana.

141 réflexions sur “Kandida N ° 3 – Andry RAJOELINA : NY VAHOAKA IHANY NO MASIMANDIDY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *