JIOLALY 2 INDRAY NO LAVON’NY FIP TETO TOAMASINA

Jiolahy nampihorohiro ao Toamasina : MATY VOATIFITRY NY FIP ANDROANY I MOSA SY SAMBO, NISY NAMANY 2 AZO SAMBO-BELONA

Nirefondrefotra indray ny basy, nihorohoro ny mponina tao amin’ny fokontany Tanamborozano parisela 22/31 , carreau faha 7 manaraka an’ iny moron’ny lakandranon’ i Pangalane midina mahazo ny tetezana Verrerie,ny alahady 10 desambra vao maraina, tsy vitsy ireo tokatrano nahazo fandrahonana tamin’ny antsy nataon’ ireo andian-jiolahy. Vokany tonga ara-potoana teny an-toerana ny polisy misahana ny hery vonjy taitra “F.I.P” notarihan’ny komisera, Rafaliarivo Jules, raha mbola teo ampanaovana ny asa ratsiny ireo andian-jiolahy mpangalatra sy maka ankeriny fotsiny izao entan’ olona ny sasany ka miambina amin’ny antsy ireo tompontrano sy manodidina sy hikiaka sy hiantso vonjy.

Vao nahatazana ny fiavin’ny polisy ireto jiolahy ireto dia efa saika amira antsy olon-tsotra iray sy polisy no hitarin-dositra hitsoraka anatin’ny lakandranon’ i Pangalanina, tsy nanaiky lembenana tamin’ izany iany koa ireto polisin’ny Fip ireto ka avihatrany nandray fepetra nitifitra, tokoy ho tamin’ny 1ora sy 30 minitra ka lavo havihatrany i Mosa sy Sambo raha ny anarana nomen’ny namany voasambom-belona dia i Tsihoembara Miambintsoa, 19 taona sy Mandrosohare, 27 taona. Nanamafy kosa ireto farany fa mbola misy an’ izany r Monja, Maroc, Rimoke, Gaga ary Toro sy Kira no tafantsoaka. Fanafihana maro no efa nataon’ izy ireo.

Ny alin’ny 27 hifoha 28 novambrra dia efa nanao andiany maro nanafika mpivarotra tao Depot sy Vohitsara, parisela 21/73 sy tao Tanambao Verreri parisela 21/71, ka teto amin’ ity farany mihitsy nisian’ny naman’ izireo iray maty voatifitra, raha telo kosa voasambom-belona ary tafaverina tamin’ny tompony ny entana efa voaromba sy lelavola 100.000 ariary, tao amin’ Atoa, ANDRIAMANTIMBISOA Marius, niharamboina no naratra vokatry ny daroka nataon’ ireo andian-jiolahy ireto. Ny 05 hifoha 6 desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 01ora20 minitra maraina fanafihana tao amin’ny tokatranon’ i Ralamboarisoa Zakanirina kominina ambanivohitra Ambodindrahoroho ny 8 desambra nitohy tao amin’ny fasana kominaly izany fanafihana izany ka niharamboina tamin’ izany ny tompon’ andraikitry ny fasana kominaly etsy Ambalambe Rtoa, Rasoanirina; tokony ho tamin’ny 01 ora maraina.

Hatreto mbola manamafy ny komandàn’ny Fip ny komisera, Rafaliarivo Jules fa mampitandrina ireo minia tsy hampilamina an’ i Toamasina.

296 réflexions sur “JIOLALY 2 INDRAY NO LAVON’NY FIP TETO TOAMASINA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *