Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha : LANONANA NANAMBARANA NY NAHATAFIDIRAN’NY HIRA GASY HO PATRIMOINE UNESCO

Notontosaina androany tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy « Ra-petit » Ampefiloha ny lanonana ofisialy nanambarana manetriketrika ny nahatafidiran’ny #HIRAGASY ao anatin’ny Harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anivon’ny UNESCO (patrimoine culturel immatériel de l’humanité de l’UNESCO).


Fotoan-dehibe ho an’ny Kolontsaina malagasy ity androany ity. Nihofahofa teo Ampefiloha ny sainam-pirenena malagasy sy ny fanevan’ny UNESCO.

Nanotrona sy nanome voninahitra ity hetsika ity ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Richard Ravalomanana nitarika sy nanome voninahitra ny lanonana.
Teo koa ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina mpisolo toerana Vavitsara Gabriella Rahantanirina, ny Sekretera Jeneralin’ny Vaomieram-pirenen’ny UNESCO eto Madagasikara Manda Ravelojaona. Nahazo fanasana mikasika ity hetsika ity koa ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy.

449 réflexions sur “Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha : LANONANA NANAMBARANA NY NAHATAFIDIRAN’NY HIRA GASY HO PATRIMOINE UNESCO

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *