Itaosy : HAMETRAHANA FAMOKARANA HERINARATRA MAHALEOTENA

ITAOSY : HAMETRAHANA FAMOKARANA HERINARATRA MAHALEOTENA

Ny distrikan-Atsimondrano eto Antananarivo indray no nanohizan’ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina ny fampielezan-kevitra anio alakamisy 26 oktobra 2023. Rakotra loko volomboasary ny kianjan’Ambohimamory satria dia vahoaka marobe no tonga haneho ny fanohanan’izy ireo an’i Andry Rajoelina. Nafana ny fihaonana na dia Alakamisy, andro fiasana aza no nanatanterahina azy.

Nanome tsodrano ny kandidà laharana faha 3 ireo raiamandreny avy eto Atsimondrano hahazo hery sy tanjaka hatrany ary ho tafita amin’ny tanjona iriana araka ny teny filamatra hoe « Madagasikara tsy maintsy mandroso ». « Efa teo ianao nampandroso ary mbola hampandroso mandrakariva an’i Madagasikara. Mahaleova mahalasana » hoy izy ireo.

Niantso ihany koa ny olom – pirenena rehetra feno 18 taona no miakatra izy ireo mba handatsa-bato sy hifidy ny laharana faha-3.
Raha nandray fitenenana ny kandida Andry Rajoelina dia nanambara fa : « Betsaka ny tany notsidihako fa misy mampiavaka an’Itaosy. Satria tena manohana amin’ny fo ary tena tia an’i Andry Rajoelina ny vahoakan’Itaosy. Tena tia amin’ny fo manontolo ary tiako amin’ny foko manontolo ihany koa. Fantatry ny vahoakan’Itaosy oe iza ny olona tia ary iza no tsy hivadika, iza no hanavotra sy hampandroso azy. Ny asa natao dia asa natao hanakaiky vahoaka sy ilain’ny vahoaka. Tamin’ny taona 1904 no nisy hopitaly natao teto. Ny mponina anefa mitombo. Tokony izay fotodrafitrasa rehetra atao ao Antananarivo dia tokony hatao eto Itaosy avokoa. 18 ny hopitaly naorina teto Madagasikara hatraminy fahaleovatena fa isika tao anatin’ny 5 taona, na dia nisy Covid-19, dia hopitaly 28 no nataontsika manerana an’i Madagasikara. Efa 40% ny asa fanamboarana hopitaly eto Itaosy. Zavatra tsy nisy nanao hatrizay no notanterahatsika.

Haratsiana sy lotoina i Rajoelina fa vao maika tian’ny vahoaka satria ny vahoaka tsy bado. Misy candidat manao propagande any na ny endrika na ny fomba fiteny dia fankahalana fanaratsiana fanambanimbaniana sy fanarabirabiana no ataony. Ao anaty kabary iray in-13 izy mitonona ny anarako. Tonony ihany fa vao maika malaza. Na iza hanaratsy, na iza hanakiana dia fantatro ary matoky aho fa « Itaosy Unis » miaraka amin’i Andry Rajoelina. Ny fanaratsiana rehetra vao maika manamafy atsika. Ataovy mijoro milahatra eo fotsiny dia hita oe iza no tsara fanahy iza no ratsy fanahy. Iza no mankahala ary iza no manam-pitiavana. Izaho tsy hanenjika olona ary tsy hanaratsy olona fa ny ahy fitoriana fitiavana ho an’ny vahoaka malagasy no ataoko. Ao amin’ny Romana faha 12 milaza hoe « Aza mety ho resin’ny ratsy fa reseo aminy soa ny ratsy ». Na iza na iza hanaratsy sy hanenjika antsika resentsika amin’ny soa ny ratsy, resentsika amin’ny fitiavana ny fankahalana. Be dia be ny filoha sy mpitondra fanjakana nifandimby fa be dia be ihany koa ny zanatsika mbola mianatra tsy misy dabilio. Izay no nanaovantsika lahara-pahamehana ny lafiny fampianarana sy ny fanaovana sekoly.

Milaza ry zareo fa tsy ilaina ny béton, ny sekoly, ny kianja. Mety tsy ilainareo fa ilain’ny vahoaka. Izaho miasa ho an’ ny vahoaka fa tsy miasa ho an’ny mpanao politika. Eto Atsimondrano dia nahavita EPP misy 24 salles isika mahazaka mpianatra 1200 eny Ampitatafika. Nanao CEG eny Fenoarivo, Ambohidrapeto, Antsahadinta. Nometsika bicyclettes daholo ireo ankizy telo voalohany ary hotohizantsika izany. Ny mampalaza an’i Itaosy dia anisan’ny tanàna nitombo betsaka indrindra ny mponina.

Mampalaza azy ny embouteillages. Lasa tsy ampy ny rano. Izany no nahatonga antsika nanao fotodrafitrasa maro. Mba hahafahana manala ny embouteillages dia hasiantsika fly over eny Anosizato. Efa tokony nanomboka ny asa fa noho ny COVID-19 dia tsy nanomboka. Efa ao ny famatsiambola, efa vita ny appel d’offres ary amin’ny volana janoary farafahatarany dia manomboka. Izay lazaiko tsy maintsy tanterahako.

Izay atombokitsika dia tsy maintsy isika no mitokana azy. Noho izany ampio aho hahafahako manampy anareo be be kokoa. Lalana tokana iany no ahafahantsika manao izany, amin’ny 16 novambra isika rehetra mila fandrosoana dia hanao « raz-de-marée » hifidy ny numéro 3 ».

Niara-nananga-tanana ny vahoakan’Itaosy fa hifidy an’i Andry Rajoelina. Ity farany izay nanohy hoe : « Betsaka ny zanatsika izay mijaly noho ny fandraisana zava-mahadomelina. Izay no nametrahantsika hopitaly mitsabo anireo zanatsika ety Itaosy. Iantohanay mivady maimaim-poana ny fitsaboana amin’ity volana ity. Hatao goudron avokoa ny lalana simba eto. Misy fotodrafitrasa maro tokony hataontsika eto Itaosy. Isika tsy maintsy lany. Mampihetsi-po ahy loatra ny fitiavanareo ahy. Ny hataoko manaraka dia hampiakatra ny fari – piainan’ny malagasy.

Hijery akaiky ireo marefo sy sahirana ary ataoko tonga isa-tokantrano ny fandrosoana. Amin’ny andro sarotra no ahalalana ny tena namana. Rehefa marary ianareo dia marary aho, mijaly ianareo dia mijaly aho, tsy misy calcul politique ny ahy. Normal raha izao ny habetsahany olona eto na dia andro alakamisy ary tsy nisy nomena vola. Tokatrano 41 000 no nomena fanampiana tosika fameno sy vatsy tsinjo taminy Covid-19. Tsy maintsy mifampitsinjo isika ary i Andry Rajoelina akaiky ny vahoaka sahirana ary mbola hanampy. 40 millions de dollars no fanampiana nomena ny tany atsimo izay no niadivako taminy Banque Mondiale.

Vitako ny mamorona asa be dia be, namorona usines manome asa ao anatin’ny 5 taona manaraka. Alohan’ny nifaranan’ny mandat dia niresaka tamin’ny Banque Mondiale aho. Efa vita sonia fa manomboka aminy janvier ary mandritra ny 3 taona dia mahazo vola 250 millions de dollars hozaraina eto Antananarivo. Ianareo rehetra izay manohana dia misoratra anarana avokoa ianareo ka rehefa tonga ny fotoana dia homena carte misy QR code avokoa. Tsy ho spectateurs intsony ianareo fa acteurs mandray anjara aminy fampandrosoana an’i Madagasikara.

Tsy misy intsony ny ahilika fa tsy misy hadinonna ny kely na ny lehibe miaraka aminy Andry Rajoelina. Aminy 16 novambra. Raha hazakazaka io dia efa nozaraina dossards ny mpifaninana. Efa nanome ny date ny HCC. Efa « à vos marques ». Isika efa mihazakazaka lasa alavitra be ry zareo mbola miresaka. Ao ny mody manao marary maso, ao ny matahotra dia mody miteny hoe tsy mety ny arbitre. Amin’ny Mondial tsy misy an’izany, isika efa lasa ary tsy maintsy tonga aloha amin’ny ligne d’arrivée.

Tsy misy mahasakana ny fampandrosoana hatao eto. Izay tia fiovana sy fandrosoana tsy maintsy mandroso miaraka amin’i Andry Rajoelina. Reseo lahatra ny ao antrano hifidy filoha tia ny vahoaka ary tia fandrosoana. Rehefa mandresy dia mandresy fa tsy misy médaille omena fotsiny izany. Aminy 16 novambra dia hirarakopana ny médailles ho azon’i Andry Rajoelina. Mino sy manantena aho fa hanao record Itaosy amin’ny 16 novambra, 70 isan-jato. Fantatro fa mijaly isika amin’ny resaka fahatapatapahan-jiro. Isika nomen’Andriamanitra masoandro ahazoana angovo.

Ataontsika indépendant ny famokarana herinaratra hoan’Itaosy dia hametraka parc solaire lehibe sy centrale hybride isika hoan’Itaosy. Mijaly ihany koa isika amin’ny rano efa nanao forage isika tao Ampitatafika, Ambaniala Itaosy,Antsahamasina, Imerimandroso fa tsy maintsy misy tetikasa mitondra fantsona vaovao dia ilay tetikasa Tana Water Free. Tsy maintsy ho vitako io. Na iza manao na iza tsy manao isika efa top départ.

Mbola tany mena ny terrain eto Ambohimamory. Manao velirano aminy vahoakan’itaosy aho fa rehefa mandresy isika dia hataontsika manarapenitra ity terrain ity. Raha Itaosy dia efa vita ny fifidianana ary efa mandresy isika. Nafana dia nafana ny ambiance teto. Midona aty ampoko ny fanehoana fitiavana sy fanohanana nasehonareo ». Nisy ny fiarahana naka sary tamin’ny alalan’ny drone teto ary horaiketina anatiny tantara ny fihaonan’ny vahoakan’Itaosy taminy kandida numéro 3.

116 réflexions sur “Itaosy : HAMETRAHANA FAMOKARANA HERINARATRA MAHALEOTENA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *