Itaosy : CENTRE ANTI TABAC

Fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao ho an’ny “Office National De Lutte Anti-tabac”.

Tontosa anio maraina
faha 29 jona 2023 teny amin’ny kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano ny fitokanana ny fotodrafitrasa vaovao mahakasika ny office national de lutte Anti-tabac, sy ny fametrahana ny “centre de sevrage” izay fandraisana an-tanana an’ireo izay miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina lazaina fa manimba ny tanora ankehitriny.
Izany fietsika izany moa dia notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina no reny mpiahy sy miady amin’ny zava-mahadomelina ho an’ireo tanora voakasiky izany.
Anisan’ny nohatritaterina tao moa ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana eo amin’io ivon-toerana io hoy i Filoha Andry Rajoelina, ary ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika dia ady iraisana, izay ezahana hofongorana amin’ny alalan’ny fanenjehina sy ny famaizana ireo mpanafatra sy mpamatsy izany eto Madagasikara.
Marihina hatrany moa fa vao sambany no nahazahoana manokana izao birao vaovao ho an’ny “office national de la lutte anti-tabac ( OFNALAT) izao, raha toa ka nolazaina fa mbola nanofa trano foana izy teo aloha
✏Elisa Razafy

12 réflexions sur “Itaosy : CENTRE ANTI TABAC

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *