Institut Supérieur de Capricorne : MANOFANA NY TANORA HIRONA AMIN’NY FIOMPIANA SY FAMBOLENA

Ny Institut Supérieur de Capricorne dia sekoly iray mampianatra sy mampiofana manokana ny resaka fandraharana mikasika ny fiompiana sy fambolena ary ny fanodinana an’izany ho vokatra azo raisina . Ka ny tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra no voakasika amin’izany .

Sarotra ho an’ny tontolo ambanivohitra hoy ny tompon’andraikitra no mandray sy manantanteraka izany ka izay no tena antompisian’izy ireo , hampiofana, hanabe, hanentana ary hampianatra ireo tanora hiditra eo amin’ny sehatrin’ny fandraharana .

Ny Oktobra 2021 no nisokafan’ny Institut supérieur de Capricorne ka anisan’ny vinan’izy ireo ny fampifandraisana ireo tanora mpianatra amin’ireo mpandraharaha hiditra sy hifandray bebe kokoa amin’ireo mpandraharaha vaventy anehoana ireo vokatra izay vokariny .

 Olivia R.

299 réflexions sur “Institut Supérieur de Capricorne : MANOFANA NY TANORA HIRONA AMIN’NY FIOMPIANA SY FAMBOLENA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *