Iavoloha: NAHAZO FANKASITRAHANA IREO MPILALAO MENDRIKA  

▶️Anio 07 May 2023 no fotoana natokan’ny Filoha Andry RAJOELINA ifampihaonana sy ho fankasitrahana ireo mpilalao ara-panatanjahantena avy amin’ny taranja rehetra , ary tafakatra avo teo amin’ny izany sehatra izany .

▶️Nanipy manokana ny momba lalo Nosy ny tenany fa dia ho tanterahina eto Madagasikara izany ary anisany lalao lehibe indrindra. Mba hampirindra ny fiomanana indrindra ireo atleta mandray anjara , dia hanana andraikitra manokana amin’izany ny Minisitra tsirairay avy ka samy hiahy federasiona tsirairay avy. Tanjona dia fandresena ao anatin’ny firaisankina sy ny samihafana, lalan-tsaina itondrana ny lalaon’ny Nosy , ilaina ihany koa ny fanentanana sy mifanohana

Baolina kitra manokana izay nahabe resaka tatoato , ka nampitaraina ireo mpilalao Barea tamin’iny lalao CHAN iny , dia mazava ny tenany Filoham-pirenena Andry RAJOELINA :

⚽️⚽️👉« Eto moa dia manao antso ihany,amin’ny federasiona baolina kitra satria rehefa miezaka ny atleta,dia mba haazo fankasitrahana, mba hahazo prime, fa ohatra ny gaga aho maheno fa tsy omen’ny federasiona an’ilay mpilalao ilay prime TENA TSY METY IZANY, mba jerevo izany Monsieur le Ministre,OMEO AN’I MPILALAO ANY PRIME FA IRENY NO NIADY »👈⚽️⚽️

▶️Mazava araka izany fa tokony mpilalao no voalohany mahazo prime izay ambony indrindra fa tsy hifampizarana ho an’ny tsy namono Voay.

Andry RAKOTONIRAINY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *