Gouverneur RAFIDISON RICHARD

Governora Rafidison Richard MANDRAY ANJARA AMIN’NY FANATSARANA NY LALANA ETO TOAMASINA

Omaly dia nisy ny fijerana ifotony ny fanamboarana ny lalana “béton” mirefy 200 metatra izay hamboarin’ny Governoram-paritry ny Faritra Atsinanana tarihin-dRafidison Richard.  “Fanomezan-tanana avy amin’ny Faritra Atsinanana amin’ny fanatsara ny tanànan’i Toamasina moa no anton’izany”, hoy izy. Nohamafisiny fa : “ny fanatsarana ny tanànan’i Toamasina tsy vita iray andro. Efa ela tsy nisy fanatsarana goavana ary tsy adidin’ny Fiadidina ny tanàna irery fa izany fa tokony samy hitondra anjara biriky ny Hery velona rehetra” Hisokatra mialohan ‘ny Krismasy ity lalana ity ary hatao CADEAU DE NOEL ho an ‘ny mponina eto Toamasina hoy izy

Nambarany tamin’izao fitsidihana izao fa : ” tsy ny habeny loatra no tena jerena fa ny famahana olana entiny”. Ity lalana ity mantsy dia mampitohy ny lalana mihazo ny hopitaly manarapenitra amin’ny hopitaly bé ary mampifandray ny lalana Boulevard Ratsimilaho amin’i Miami. Nohamafisiny fa : ny vola nentina nanana an’ity asa fanamboarana lalana béton ity dia avy amin’ilay vola 2 Miliara Ariary vatsian’ny Fanjakana Foibe ho an’ny Faritra. Nambarany fa : ” Anjaran’olo jiaby ny fanatsarana ny tanàna satria rehefa tsy tsy mandoto, tsy manary rano… dia efa mandray anjara amin’ny fanatsarana izay”. “Tokony samy mitondra anjara biriky amin’ity fanatsarana ity Renivohitry Toamasina ity. Mora ny mikritika sady maro izy ireo fa ireo mandray andraikitra vitsy”, hoy ny Governora. Miantso fanentanana ho an’ny tsirairay hitondra ny anjara biriky izy.

 Laharam-pahamehana ity fanamboarana io lalana béton 200 metatra io rehefa rehefa nifampidinika tamin’ny Fiadidina ny tanàna noho izy mamaha olana tahaka ny famahana ny fitohan’ny fiarakodia.

  Araka ny fanazavana dia mbola misy lalana hafa koa ataon’ny Faritra Atsinanana ao Toamasina. Afaka tapa-bolana dia hitsidika ny asa fanamboaran-dalana ao kartie Mangarivotra Atsimo izy. Tamin’ny herintaona dia efa nisy lalana 800 metatra natao tao Toamasina. Misy hatrany izany isan-taona toy ny tany Ankirihiry sy Morarano … Asa fanamboaran-dalana tahaka ny nataon’ny Faritra any amin’ireo Distrika 6 mandrafitra ny Faritra Atsinanana moa ity ataon-dry zareo ao Toamasina ireo.

Ity lalana etsy amin’ny hopitaly bé Toamasina ity no ambaran’ny Governora fa : kadoa na fanomezana Noely 2023 ho an’ny vahoakan’i Toamasina ka hisokatra alohan’ny Krismasy izany izy io. Tamin’ny  herintaona dia ny lalan’Ankirihiry no kadoa Noely 2022 ho an’i Toamasina.

15 réflexions sur “Gouverneur RAFIDISON RICHARD

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *