FIVORIAMBEN’NY ARTISTA : SAIKA SAKOROKA

Tonga tetsy amin’ny Palais des Sports Mahamasina ihany koa Rossy sy ny ekipany
nanotrona ilay fivoriamben’ny Artista izay nanaovana fampiantsoana nandeha tamin’ny
fahitalavitra TVM iny.
Vao nahere ny fahatongavany anefa ireo mpikarakara dia nanakatona vavahady.
Raikitra ny fifanosehana ka tafiditra ihany ry zareo.

Tsy nanaiky hiditra tao intsony anefa Rossy sy ireo artista niaraka taminy mba hisorohana ny
korontana.
Efa niteny moa Rossy fa ho avy amin’io fivoriana natao anio io ka dia tonga tokoa izy.

Tsy nijanona tao amin’ny lapan’ny Kolotsaina Mahamasina Rossy sy ireo ekipany fa nankeny Anosy misy ny
biraon’ny Ministeran’ny Kolotsaina ary nitondra sorabaventy. Feno mpitandro filaminana niambina ny vavahady.
Nilaza moa Rossy fa mampizarazara ny artista zandriny sy artista zokiny ny toy izao ka tsy ekena.

Tsy manaiky ny hanaovana an’io fivoriambe io ry Rossy sy Jaojoby sy ry Samoela izay efa
nanao fanambarana satria efa misy tetiandro fanaovana an’izany ary ny artista tena artista efa mahay an’izany.
Nisy vondrona artista kosa nanao fanambarana fa tsy maintsy hotanterahana io fivoriambe
izay hifidianana ny filohan’ny filankevi-pitantanana ny Omda.Mbola tantara mitohy ny amin’ity
raharaha ity…

sary : INDRANA

412 réflexions sur “FIVORIAMBEN’NY ARTISTA : SAIKA SAKOROKA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *